Fanjifana: Omby miisa 1 500 isan’andro no vonoina eto Madagasikara

  • dimanche, 07 avril 2019 17:53
  • Sary nindramina

Ny 400 amin’ireo no filan’ny tsena eto Antananarivo sy ny manodidina, raha 1 500 ny omby vonoina amidy eny an-tsena isan’andro manerana ny Nosy, ankoatra ireo novoina amin’ny resaka kolontsaina sy ireo vonoina an-tsokosoko na rainizavona.

Miisa 11 ny karazan’omby eto Madagasikara, ary tombanana eo amin’ny 10 tapitrisa eo ny isan'izy ireo mitambatra, raha mananika ny 27 tapitrisa ny isan’ny mponina.

Ny taona 1920, raha atao ny salanisa dia 4 isaky ny Malagasy ny isan'ny omby.
Ny taona 1960 dia nidina omby 2 isaky ny Malagasy.
Ny taona 1970 dia nifahantsahana ny isan'ny omby sy ny isan'ny mponina.

Ny taona 2003 dia nanomboka nifamadika ny antontanisa, ka nihavitsy noho ny isan'ny mponina ny isan'ny omby.
Ary amin'izao dia efa Malagasy 3 isaky ny omby 1.

Raha mitohy izany izao fidinany izao, mitohy ny fanondranana any ivelany, mitohy ny fanjifana, nefa tsy misy fanatsarana ny fiompiana omby, dia ho ritra ny omby eto an-toerana, ka asa na hanafatra omby indray afaka taona vitsivitsy tsy ho ela.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.