Morondava: Orinasa fandrafetan-kazo aman-jatony no hikatona

  • jeudi, 14 mars 2019 10:16
  • Sary Gasypatriote Morondava

Mitaraina ireo mpandraharaha hazo eto an-drenivohitry ny faritra Menabe sy ny manodidina votraky ny fandrarana ny fikirakirana hazo taorian’ny Naoty navoakan’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy tamin’ny 29 janoary 2019.

Mikatona ny fandrafetan-kazo sy mpanao fanaka, voasazy ny fiara mitondra fanaka vita amin’ny hazo mivoaka an’i Menabe, sahirana ny mpivaro-kazo… nefa fianakaviana 400 eo misy olona hatrany amin’ny 2.500 no tra-pahasahirana vokatr’izany.

Misy aminay no mindram-bola amin’ny banky sy ireny mpampindrambola madinika ireny. Ahoana no hamerenanay ny vola nindramina, hoy ny fitarain’ireo mpandraharaha madinika, ny hazo anefa no fivelomanay, sakafo, fitsaboana, fianaran’ny zaza.

Manomboka ny volana janoary ka hatramin’ny desambra ny taom-piasan’ny orinasa iray, ka maninona raha avela hiasa hatramin’ny desambra izahay, hoy ireo mpandraharaha misehatra amin’ny hazo eto Morondava, fa tsy alatsaka antenantenan-taona ny fanapahan-kevitra mandrara ny fahazoanay akora amin’ny asa ataonay, nefa mba mambidi-bola amin’ny fanjakana ihany na dia orinasa madinika aza izahay.

Nisy ny hetsika nataon’izy ireo, ho fanairana ny fanjakana fa Malagasy aman’arivony no tra-pahasahiranana manoloana io Naoty mandrara ny fampiasana ny hazo io.

Tsy misy mandà ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fambolena ireo hazo notapahina, fa akora toy ny akora rehetra azo kajiana, azo vokarina ary azo itadiavam-bola izy io.
Firenena maro no mampiasa ny hazo nefa tsy voatery ho simba ny tontolo iainana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.