Trafika volamena: Handoa onitra avo roa heny ary hogiazan’ny fanjakana ny entan’ireo izay tratra

  • jeudi, 28 février 2019 14:54

Nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly no nampahafantaran’ny Minisitry ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika fa hampitomboana ny hetra alaina amin’ny fanondranana volamena amin’ny alalan’ny famerenana ao anatin’ny ara-dàlana ireo seha-pitrandrahana sy ny fandraharahana manodidina ny volamena.

Hisy fanovana ihany koa, ireo andinin-dalàna mifehy ny fitrandrahana sy fanondranana volamena sy ny harena ankibon’ny tany amin’ny ankapobeny.

Ny filohan’ny Repoblika, tetsy ankilany, nanamafy fa atao mazava sy henjana ny sazy ampiharina amin’ireo izay tratra manondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena ka sady hogiazan’ny fitondram-panjakana ny entana, no hanonitra avo roa heny ny sadam-bidin’ny entana izay tratra manao izany.

Ny tanjona amin’izao ny ahafahana manana tahirim-bolamena matanjaka mba hoenti-manarina ny toekarem-pirenena sy ahafahana manao antoka amin’ireo mpampiasa ny volany eto Madagasikara (Garantie souveraine).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.