Fiaraha-miasa: Naneho ny fahavononany hiara-hiasa hatrany amin’i Madagasikara ny filohan’ny BAD, Akinwu Adesina

  • lundi, 11 février 2019 13:48
  • Sary Présidence

Nisy ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina sy ny Filohan'ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD), Akinwu Adesina, omaly, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-32 ny Vondrona Afrikanina tanterahina ao Addis-Abeba renivohitr’i Etiopia.

Nangataka ny hamoahana haingana ny fanampiana ara-bola hanamafisana ny fampiharana ny tetik'asa sy vina fampandrosoana izay tafiditra ao anatin'ny politika vaovao ny Fanjakana ny filoha malagasy. Sehatra laharam-pahamehana amin’izany ny fanjariana ara-tsakafo, sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina.

Ny tanjona hoy i Andry Rajoelina dia ny hahatonga an’i Madagasikara ho lasa sompitrin’ny famokarana vary eto amin’ny faritra oseana indiana ary hampitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra ao anatin’ny 5 taona.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.