Toe-karena: 4 107,19 Ar ny 1 Euro, 4 200 Ar ny litatry ny lasantsy

  • vendredi, 18 janvier 2019 17:40

Amin’ny fotoana andraisan’ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina ny fahefana dia misy ny tondro ara-toekarena tsara ho fantatra. 7,2% ny tahan’ny sondrobidim-piainana.

Eo amin’ny taham-pifanakalozana ara-bola indray dia 4 107,19 Ar ny 1 Euro raha toa ka 3 610,94 Ar ny 1 dolara amerikanina.

Mbola ny vidin-tsolika nihatra nanomboka ny 04 desambra 2018 kosa no hita eny amin’ireo toby mpaninjara dia 4 200 Ar ny litatry ny lasantsy, 3 550 Ar ny gazoala ary 2 630 Ar ny solitany fandrehitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.