Sambava: Jeritodika momba ny sehatra lavanila

  • lundi, 08 octobre 2018 12:44
  • Sary Gasypatriote Sambava

Notanterahina ny zoma 05 oktobra 2018 tetsy amin’ny Resto Capricorne ny atrik’asa momba ny hoavin'ny sehatra lavanila aty amin’ny Faritra SAVA.

Nandritra izany no nandraisana paik’ady ho entina hanatsarana ny seha-pihariana lavanila eto amintsika hoy ny DDR SAVA Seramila Teddy, satria teto no nahaizana inona no laharampahamehana, izay lohalaharana tamin’izany ny fandriampahalemana ary ny fandaminana ny tsena, ary eo ihany koa ny famaritana ny daty tokony hisokafan'ny tsena amin’ny taom-pihotazana manaraka io.

Zavatra iray kosa no mba angatahinay avy amin’ny Plateforme Filière Vanille, hoy ny SG PRCP Rabenefintra Henri, dia ny mba ho tena fanoitra amin’ny fampandrosoana ny Faritra amin’izay ity lavanila ity, satria tsy izay ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao fa lasa miteraka olana ho an'ny toekaren'ny Faritra satria misy zavatra mandringa.

Tsy mihodina ao anaty toekaren'ny Faritra SAVA ny vola azontsika avy amin’ny lavanila.

Tamin’ny taon-dasa izao dia vola 650 miliara Ariary ny vola nokirakirain'ny Banky Foiben’i Madagasikara ho an’ity seha-pihariana ity, nefa mba nitondra inona aty amin’ny Faritra izany ?

(Sary Gasypatriote Sambava)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.