Vola: Herintaona izao no nivoahan'ireo ravim-bola vaovao 1000Ar, 500Ar, 200Ar ary 100Ar

  • lundi, 17 septembre 2018 15:23
  • Tahirin-tsary Gasypatriote

Herintaona aty aorian'ny nivoahan'ireo vola vaovao ireo, maro amin'ny Malagasy no tsy zatra ary misy mampifangaro, eny voafitaka amin'ny vola 5000Ar sy 500Ar noho ny lokon'izy ireo mitovitovy.

Tamin'ny 17 jolay 2017 no navoakan'ny Banky Foiben'i Madagasikara hanankery eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny ravim-bola vaovao 20.000Ar, 10.000Ar, 5.000Ar ary 2.000Ar. Ny nivoahan'ireo vola ireo no ela dia niparitaka koa ny vola sandoka vaovao.

Mbola manan-kery avokoa hatreto ireo vola nivoaka tamin'ny 2003. Karazam-bola roa no mihodina eny an-tsena.

Ny fanjakana tsy nametra ary tsy hita taratra ny ezaka te hanolo ilay vola teo aloha, misy manana izany amin'ny gony any ambany fandriana ve ny mpanao politika hampiasaina amin'ny fifidianana, izay tsy misy fetra ny vola atosaka ao?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.