Economie

    • mercredi, 17 janvier 2018 15:20

    Fizahantany: Miverina ireo sambobe mitondra mpizahatany

    Manomboka miverina ireo sambobe mpitondra mpizahatany mitety an’izao tontolo izao taorian’ny volana vitsy nampirongatra ny valanaretina pesta teto Madagasikara. Sambo roa no hifandimby ho avy eto manomboka rahampitso dia ilay sambo be alemana Aida Aura sy ilay italiana Costa. Hiantsona ao Hell-Ville Nosy Be rahampitso alakamisy 18 janoary 2018 amin'ny fito ora maraina ilay sambo Aida Aura izay hitondra mpizahatany miisa 1223. Hiazo an’Antsiranana ny 19 janoary. Narosony ny diany noho ny rivodoza mitatao amin’ny nosy Maorisy sy La Réunion. Hikasa hitety faritra 52 eto Madagasikara io sambo io mandritra ity taona 2018 ity.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 janvier 2018 12:16
    • Photos Fournies

    Sambava : Soavoanio se remet de ses plaies et dévoile ses ambitions

    La société Soavoanio qui fait la fierté de Sambava et toute la SAVA se remet de ses plaies causées par le cyclone Enawo en mars 2017. Soavoanio vise les 12 millions de noix de coco cette année, c’est notre objectif, dit le PDG Andreas Claude lors de la cérémonie de présentation des vœux de nouvel An 2018, ce vendredi 05 janvier 2018 au Centre Soavoanio Sambava. A Andreas Claude de continuer que Soavoanio s’attelle à la replantation des 20Ha ravagés par Enawo. La société se redresse et promise à un avenir optimiste.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 12 décembre 2017 10:58

    Cours des devises Madagascar

    * 05 janvier 2015 1 Euro = 3112,86 Ariary = 15 564,30 fmg1 Dollar = 2610,31 Ariary = 13 051,55 fmg * 03 janvier 2017 1 Euro = 3504,47 Ariary = 17 522,35 fmg1 Dollar = 3343,09 Ariary = 16 715,45 fmg * 11 décembre 2017 1 Euro = 3781,27 Ariary = 18 906,35 fmg1 Dollar = 3207,66 Ariary = 16 038,30 fmg (Source Banque centrale de Madagascar)    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 décembre 2017 14:33
    • Sary Njaka

    Antaninarenina: Nankatoavin'ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny FEC

    Nampiantso mpanao gazety tetsy Antaninarenina omaly alarobia 06 desembra ny minisitry ny vola sy ireo mpiara-miasa aminy. Nivoitra tamin'izany ny filazana fa nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan'ny Tahirimbola iraisam-pirenena ny tomban'ezaka andiany faharoa nataon'i Madagasikara amin'ny fifanarahana Facilté Elargie de Crédit na ny FEC, ka dia omena an'i Madagasikara ny vola 44,5 millions dolara ho fanohanana ny rafi-panitsiana izay tokony mbola hatao. Io vola io moa da natokana indrindra amin'ny fanamafisana ny fahamarinan-toeran'ny fandoavam-bola ivelany. Voalazan'ny ramatoa minisitry ny vola ihany koa fa dia mitohy tsikelikely ny fiarenan-dohan'ny toe-karena malagasy, izay porofoin'ny fitombon'ny harikarem-pirenena ho 4,1%.
    Lire la suite ...
  • Costa à la Réunion et aux Seychelles
    Costa à la Réunion et aux Seychelles
    • jeudi, 07 décembre 2017 12:09
    • Photos Archives

    Tourisme: Les bateaux de croisière ont repoussé à début 2018 leur touchée à Madagascar

    Malgré l’annonce officielle de la fin de l’épidémie de la peste pulmonaire à Madagascar, les deux bateaux de croisière ont encore reporté leur touchée, un deuxième report cette année. On sait aussi que Seychelles a levé les sanctions mais Maurice persiste. Officiellement l’escale du paquebot Costa NeoRiviera à Toamasina prévu le 19 décembre est repoussée pour le 02 Janvier 2018, en application de principe de la quarantaine par la compagnie Costa. Pour le paquebot Aida Cruises, l’escale à Toamasina est prévue pour la mi-Janvier 2018 sans plus de précision. Donc tout est annulé pour cette année, et on négoce encore avec Maurice pour l'année prochaine.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 décembre 2017 21:47
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Otrikarena azahoana angovo ny volobe na bambou

    Manomboka ny tapaky ny janoary 2018 ny famokarana herinaratra avy amin'ny bambou eto Madagasikara. Fantatra tao anaty atrikasa fanofanana olona hisehatra amin'ny fambolena volobe tanterahina eto Fianarantsoa izany vaovao izany. Ao Tongarivo, Tanjombato Analamanga no hametrahana io taozava-baventy fanodinana ny vokatra bamabou io. Izany dia isan'ny lalam-pihariana azo trandrahina amin'ny alalan'ny fambolena azy ankoatry ny fanamboarana fanaka, taotrano, lamba sy ny maro hafa.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 décembre 2017 11:33
    • Sary Sobika Vangaindrano

    Jorofo: Tsy mena-mitaha ny Faritra Atsimo Atsinanana

    Tontosa teto Vangaindrano ny foaran'ny jorofo ny 1-2 desambra lasa teo, izay nokarakarain'ny Antenimieran'ny varotra sy ny indositoria Atsimo Atsinanana. Natao indrindra hampahafantarana ny Faritra Atsimo Atsinanana amin'ny lafiny ara-toekarena. Tsy ho mena mitaha amin'ny vokatra jorofo amin'ny Faritra hafa ny eto amin'ny Faritra Atsimo Atsinanana. Fotoana ihany koa nanehoana ny kolontsaina sy ny vokatra mampiavaka ny faritra. Atsimo Atsinanana dia faritra mamokatra fa saingy tsy misy ny orinasa famadihana ireo vokatra misy. Na dia teo aza ny orana nikija ny andro voalohany dia tsy nahasakana ny foara na dia nanisy fikorontanana teo amin'ny fandaharam-potoana aza izany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 novembre 2017 15:14

    Vangaindrano: Hanao foaran’ny jirofo

    Telo andro no hanatanterahana ny foaran'ny Jorofo eto Vangaindrano dia ny 1-2-3 desambra 2017, izay karakarain'ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria Atsimo Atsinanana. Tanjona ny hanatsarana an'ity seha-pihariana jorofo ity, izay voly fanondrana mitana ny anjara toerana lehibe eo amin'ny toekarenan'ny Faritra Atsimo Atsinanana satria dia 3000 taonina eo isan-taona ny jorofo miala avy ao amin'ny faritra. Hovoaboasana amin'ny alalan'ny famelabelarana arahina adihevitra ny tontolon'ny jorofo ho an'ny faritra Atsimo Atsinanana sy eto Madagasikara. Tsy ny jorofo ihany no haseho amin'io fa ireo vokatra mampiavaka ny Faritra Atsimo Atsinanana sy ny resaka kolontsaina ka ao ny nentim-paharazana sy miaraka amin'ireo mpanakanto goavana sy avy eto an-tanàna. Hisy ihany koa ny lalao ara-panantahantena. Efa mamaramparana ny taom-piotazana jorofo ny aty Vangaindrano amin'izao.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 novembre 2017 10:26
    • Sary Njaka

    Analakely: Vitrine de l'Industrie

    Natomboka omaly alatsinainy 20 novambra ka hatramin'ny rahampitso alarobia 22 novambra ny fankalazana ny andro iraisan’ny eto amin’ny faritry ny Afrika mahakasika ny indostria, na ny Vitrine de l’Industrie en Afrique, izay atao etsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Misy ny tranoheva izay hita eny an-toerana mandritra ity hetsika ity.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 novembre 2017 22:01

    Forello Expo Tanjombato: Salon de l'habitat 2017

    Nanomboka teny amin’ny Forello Expo Tanjombato omaly alakamisy ny SALON DE L’HABITAT 2017 andiany faha 19. Toy ny isan-taona dia maro ireo vokatra ampirantiana eny an-toerana.Ny mampiavaka azy amin’ity taona ity dia ny fisian’ilay SYMPOSIUM INTERNATIONALE izay karakarain’ny PREMIERE LIGNE ihany ny 28 ka hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, izay atao eny amin’ny CCI Ivato, ho hita eny ny tantara, civilisation ary ny kolon-tsaina. (Sary Sobika)
    Lire la suite ...
Page 6 sur 37