Economie

    • jeudi, 21 juin 2018 19:57
    • Photos fournies

    Salon des Industries de Madagascar: Lancement du label économique « MALAGASY NY ANTSIKA »

    La quatrième édition du Salon de l’Industrie de Madagascar a ouvert ses portes ce 21 juin 2018, au parc d’exposition Forello, à Tanjombato, dans le cadre de la célébration du 60ème anniversaire du Syndicat des Industries de Madagascar (SIM). L’événement a été marqué par le lancement du label « MALAGASY NY ANTSIKA », dont l’objectif est de distinguer et de démontrer la qualité des produits fabriqués par les industries membres du SIM, pour la promotion du « Vita Malagasy ».
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 juin 2018 14:39

    Fantatrao ve: Raha ny vola azo avy amin'ny solika misy eto amintsika dia efa ampy ampandrosoana antsika

    Manana tahiri-tsolika hatrany amin'ny 1 500 milliards de barils i Madagasikara. Raha atao teny tokana dia 600 milliards de dollars isan-taona ny vola tokony hiditra amintsika Malagasy rehefa trandrahana ny pétrole eto amintsika. Izany hoe 84 millions ariary na 420 millions fmg isam-batan'olona, isan-taona ao anatin'ny 50 taona eto Madagasikara. Vao pétrole io, mbola eo ny volamena, ny vatosoa, ny vary fotsiny hoy isika dia ahitana 30 milliards de dollars ao anatin'ny 5 taona, nefa vao tany 10% no volena amin'izany.Mbola ao ny hazandranomasina, ny bois de rose...Ajanoko eo sao lazaina mampaninofy aho. Dia hoy ilay mpanakivy hoe, aiza no ahita vola sy teknolojia hamatsy ny fitrandrahana an'izany?
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 juin 2018 08:41
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Centre de Transformation et de Conservation des Produits – Analamalotra: Nomen’ny Vondrona Eoropeana 7 miliara Ariary

    Vita sonia teto Toamasina ny zoma 15 jona teo ny sonia fanomezam-bola fito miliara Ariary ny ivon-toerana CTCP (Centre de Transformation et de Conservation des Produits) ao Analamalotra Toamasina Surburbain. Avy amin’ny Tahiry Eoropeana ho an’ny Fampandrosoana andiany faha-9 sy faha-10 ny famatsiam-bola. Maro ny vokatra vokarin’ny CTCP Analamalotra toy ny poavra mena (baie rose) izay mahavita 15 taonina isam-bolana amin’ny fotoana fahavokarany, eo koa ny sakay sy ireo antsoina hoe : “pate de fruits” izay amidy hatrany ivelany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 juin 2018 16:58
    • Photos fournies

    COMESA: Le SG Sindiso Ndema Ngwenya dans nos murs pour la préparation du Sommet de Zimbabwe

    Le Secrétaire Général du COMESA, Sindiso Ndema Ngwenya, accompagné à l’occasion par la ministre du Commerce, Yvette Sylla a été reçu, en fin de matinée du 15 juin 2018, au Palais d’Iavoloha, par le Président de la République Hery Rajaonarimampianina. « Les échanges ont porté sur la préparation du prochain Sommet qui se déroulera au Zimbabwe du 18 au 19 juillet 2018. Le Président Rajaonarimampianina est le président de l’autorité du COMESA depuis 2016 et il détient la plus longue longévité en tant que président de cette institution » a déclaré le Secrétaire Général.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 juin 2018 22:19
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Toamasina: Mikatso efa iray volana izao ny asan’ny sampan-draharahan’ny hetra

    Sady mitokona tsy miasa ny ankamaroan’ny mpiasan’ny sampan-draharahan’ny hetra ho an’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo eto Toamasina, no tsy mandray ireo mpandoa hetra. Milaza izy ireo, taorian’ny fivoriambe nataon’izy ireo omaly fa “tsy azonay ekena velively ny fisiana orinasa tsy miankina misolo ny fanjakana amin’ny fanangonan-ketra fa tsy fanarahan-dalana ny toy izany, koa rehefa miato amin’ny asa ataony ny AMETIS vao misy asa mandeha eto”, hoy ireto mpiasan’ny hetra eto Toamasina tamin’ny alalan’ny mpandrindra azy ireo, Rabenjanahary Clérmond Alphonse.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 juin 2018 16:47

    Hetra: Ny volanao ihany no anajana anao

    Ao anatin'ny tetikasan'ny Vitatsika io dia entina amintsika eto ny resaka tetibola sy famatsiam-bola. Ho antsika mbola misalasala hoe aiza no ahita vola fa mahantra isika. Mila mpamatsy vola any ivelany hatrany isika.Tsy marina. Ity aseho anareo ity ny tetibolam-panjakana amin'ity taona 2018 ity. Raha tsorina dia 6 400 miliara Ariary eo ny fitambarany.5 000 miliara Ariary eo no azo avy amin'ny hetra eto an-toerana, izany hoe vola nalaina taminao isaky ny mividy zavatra ianao. Samy mandoa isam-batan'olona 250 000 ariary isan-taona izany isika Malagasy 20 tapitrisa. Ka raha 5 ao an-trano isika dia 1 250 000 ariary na 6 250 000 fmg izany no anjara naloantsika tamin'ny fanjakana tamin'ity taona 2018 ity.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 mai 2018 08:23
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Salon du Bon et du Goût andiany faha-5

    Mandrisika ny fihariana manodidina ny vokatra hazandranomamy sy ny fiompiana trondro ny hetsika amin'ity indray mitoraka ity. Manao fanentanana ny ankizy madinika amin'ny nahandro sy ny sakafo mahasalama ihany koa ny mpikarakara amin'izao hetsika izao. Tanterahina mandritra ny efatra andro nanomboka ny 22 mey lasa teo ity serasera tanterahan'ny Fianar Com sy ny Ajipad ity. Miahy manokana izany ny Ministeran'ny jono sy ny harena andranomasina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 mai 2018 20:03
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Lavanila: Hisokatra ny alahady 15 jolay 2018 ny taom-pihotazana

    Namaly ny fangatahana nataon’ireo mpandraharaha lavanila aty amin’ny Faritra SAVA ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ka tapaka fa ny alahady 15 jolay 2018 ny fisokafan’ny taom-pihotazana lavanila maitso ho an’ny Faritra SAVA, Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anosy, Analanjirofo ary Sofia (Bealanana - Befandriana Nord - Mandritsara) fa ny Analalava, Antsohihy ary Antananarivo-Haut, ao anatin'ny Faritra Sofia hatrany, no nisokatra nanomboka omaly 22 mey 2018. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 mai 2018 20:43
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Raikitra ny Z’OVY andiany faha-4

    Lasa fanao isaky ny roa taona ity hetsika ara-toekarena ity. Tranoheva manodidina ny 120 no mandray anjara amin’ity andiany faha-4 ity, ahitana ny Indostria mpanodina ny vokatra, tantsaha ary ny mpanao asa-tanana. “Miasa, miasa ary miasa ihany” hoy ny minisitry ny fahasalamana sady coach ny faritra Vakinankaratra Mamy Lalatiana Andriamanarivo raha nanokatra ny foara. Haharitra hatramin’ny alahady 20 mey ny Z’OVY andiany faha-4. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 08 mai 2018 22:53
    • Sary nomena

    Ministeran’ny Indostria: Nanolorana fiarakodia “Karenjy”

    Nanolotra ireo fiarakodia « Karenjy – Mazana II » ireo, tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana, ho an’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier. Izao no natao, hoy ity farany, dia “ho fampandehanana misimisy kokoa ny asa sahanina eo anivon’ity departemanta ity. Ary nosafidiana ny “Karenjy” satria tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Fitondrana ny fanjifana sy fampiroboroboana ny Vita Malagasy ».
    Lire la suite ...
Page 3 sur 37