Economie

    • lundi, 16 septembre 2019 22:36
    • Sary nomena

    Fanadiovana ny canal des Pangalanes: Nahita maso ny loto ny Filoham-pirenena

    Efa manomboka ny fanadiovana sy fanalana ny fasika sy atsanga ao anatin'ny Canal des Pangalanes, izay natomboka avy aty Toamasina. Tsy mahavita 500m akory, dia mikatso ny helice 2 mampandeha ny milina, fa feno fako, pneu, gony. Miditra an-tsehatra ireo mpijoboka anaty rano manala izany. tsy lasa alavitra akory, dia feno fako indray, dia toy izany hatrany. Hitan'ny rehetra ihany koa ny menaka maloto, ny gazoil maimbo, sy ireo fako ary loton'ny ozinina, ariana ao anatin'ity lakandranon'ny Pangalanes ity. Na ireo olo-be an-tanàna aza dia efa tsy mahateny ireto tompon'orinasa vavety manary loto tsy manaja tontolo iainana ity, ka dia samy mifampibisibisika sisa hoe, efa hitan'ny Filoham-pirenena izy io, ka mety izy sisa no ahateny sy anasazy ireo mpandoto ny rano izay misy misotro, sy midio aminy io. Ny trondro dia maty ho azy, nefa mbola amidin'ny olona ihany, ka efa any ambilany vao heno maimbo pétrole sy gazoil, savony, ary menaka maloto. Mitaraina mangidihidy ihany koa ireo mponina manodidina amin'ny fampiasana ny rano.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 16:52
    • Sary: MEEH

    Antsirabe: Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro

    Ny orinasa Witec no hanatanteraka ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro ho an’Antsirabe. Notanterahina nandritra ny « Vitrine du Vakinankaratra » teto Antsirabe ny fanaovan-tsonia ity tetikasa ity, teo amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny rano ary ny akoran’afo sy ity orinasa ity. (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 septembre 2019 21:58
    • Sary nindramina

    Lakandranon'ny Pangalanes: Hajariana ho azo ifamoivoizana

    Ny taona 2016 nandritra ny nampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriamben’ny Frankôfônia no niresahana ny hanajariana iny lakandranon'ny Pangalanes iny. Naneho ny fahavononany hanome tanana ny Malagasy tamin’izany ry zareo Maraokanina. Liana ny hanao asa fihariana mikasika ny fizahantany sy fampiantranoana manamorona iny lakandrano iny rahateo ny mpandraharaha Maraokanina, ankoatra ny fanamboarana hopitaly ho an'ny Reny sy zaza ao Antsirabe ary koa ny fanofanana ara-teknika. Enim-bolana no nambara tamin’izay fa hanaovana ny fanadihadiana mialoha ny asa, mikasika io lakandrano io.
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 septembre 2019 19:19
    • Sary MEEH

    Angovo avy amin'ny masoandro: Hisy tobim-pamokarana enina haorina aty Vakinankaratra

    Mandoto, Faratsiho, Tombontsoa, Antsirabe, Antanifotsy ary Ambatolampy : ireo ny tanàna enina hanorenana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny masoandro enina aty amin'ny faritra Vakinankaratra. Hamokatra 5MW tsirairay ireo toby ireo, ary orinasa Malagasy telo no hanangana azy ireo. Efa vita ny fifanaovan-tsonia tamin’ireo orinasa ireo, niarahany tamin’ny ministeran’ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 septembre 2019 18:26
    • Sary nindramina

    Madagasikara: Mampiantrano ny fivorian’ireo Governoran’ny Banky Foiben’ireo firenena mambra ny SADC

    Faha-49 ity fivorian’ny Komitin’ny Governoran’ny Banky Foibe (Committee of Central Bank Governors) amin’ireo firenena mikambana eo anivon’ny SADC ity, izay tanterahina nanomboka ny 11 septambra ka nifarana androany 13 septambra 2019. Miisa 75 ireo delege mandray anjara amin’ny fivoriana, avy amin’ireo Banky Foibe miisa 15, mpikambana eo nivon’ny vondrona SADC, tarihin’ny Governorany isanisany avy. Sambany i Madagasikara no nampiantrano ity fivoriana ity.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 septembre 2019 16:31

    Foaraben'ny fambolena 2019: Manomboka anio etsy Tanjombato

    Tanterahina etsy Tanjombato - Antananarivo manomboka anio 12 septambra ny FIA 2019. Efatra andro no haharetan’ity foarabe iraisam-pirenena momba ny fambolena ity, izay ahitana mpandray anjara vahiny. Natao indrindra hanosika ny fambolena sy ny fiompiana malagasy ny hetsika toy itony.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 septembre 2019 09:46
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    « Vitrine du Vakinankaratra »: Hanasongadinana ireo vokatra mampalaza an'i Vakinankaratra

    Raikitra ary hotontosaina ny 12 ka hatramin'ny 14 septambra 2019 izao ny « Vitrine du Vakinankaratra ». Andiany faha-22 ny amin’ity taona ity, izay hatao manoloana ny Gara. 200 ny tranoheva hampirantiana sy hanehoana ny vokatra mampiavaka ireo mpandray anjara isanisany avy. Tanjona, hoy ny FIOVA (Fivondronan'ny Orinasan'ny Vakinankaratra) izay mpikarakara, ny hanasongadinana ireo vokatra mampalaza an'i Vakinankaratra sy ireo faritra manodidina, izay mikendry fiaraha-miasa amin'i Vakinankaratra, ka hisy hampiranty ny vokany mandritra io hetsika io. Ny taona 1997 no niandohan'ity hetsika ara-toekarena « Vitrine du Vakinankaratra » ity, ary mbola tsy niato hatramin'izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 septembre 2019 19:57
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    OTIV Boeny: Miandry ny volany ireo mpikambana

    Telo volana taorian’ny 7 jona 2019, fe-potoana nomen’ny filoha Andry Rajoelina ireo tomponandraikitra ao amin’ity OTIV (Ombona Tahiry Ifampisamborana Vola) Boeny, navoriny tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny harivan’ny talata 4 jona 2019, natrehin’ny solontena roa, avy amin’ny Vaomiera mpanaramaso ny banky sy sehatra fampindramam-bola, nandrosoan’izy ireo ny drafitra hamerenana ny volan’ireo mpikambana mitaraina fa very vola na mihitsoka tsy azo ao amin’ny OTIV Boeny ny tahirim-bolany efa aman-taonany izao, milaza ho tsy mbola nahazo ny volany ireo mpikambana, no tsy manam-baovao mikasika izany. Resaka ampahibemaso teo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Mahajanga tamin’ny 23 mey 2019 no nahatongavana tamin’ny fivoriana tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny harivan’ny 4 jona 2019, ka namaritana ny fe-potoana hatramin’ny 7 jona 2019 hanomezana vahaolana. Miandry ny fanatanterahana izany vahaolana izany izahay, hoy ireo tompom-bola.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 septembre 2019 21:48

    Foara « Renala » : Hotanterahina ny 26-27-28 septambra 2019 ny andiany faha-05

    Hatao eto Morondava renivohitry ny faritra Menabe ny 26-27-28 septambra 2019 ny Foara « Renala », izay tsenabe ara-toekarena, sosialy sy kolotoraly. Andiany faha-05 ny amin’ity taona ity, hanehoana ireo vokatra sy ireo kolontsaina ato amin'ny faritra Menabe, izay handraisan'ireo Distrika dimy anjara. Natao hisarihana mpamatsy vola ho avy aty amin'ny Faritra Menabe ihany koa ity foara « Renala » ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 28 août 2019 21:45
    • Sary Njaka

    Antaninarenina: Mamokatra SESAME ny Ferme Aina

    Ny foire artisanale izay atao eny amin'ny zaridainan'Antaninarenina dia tsy mitsahatra ny manome ny soa sy ny tsara ho n'ny mpanjifa malagasy sy vahiny, ka manatsara hatrany ireo vokatra hoentiny. Anisan'izany ny vokatsoa ho entin'ny SESAME, izay vokarin'ny orin'asa "Ferme Aina". Nanomboka tamin'ny taona 2011 no nikarohany sy namokarany ity sakafo ara-pahasalamana ity. Maro be ireo zava-tsoa azo avy aminy, raha tsy hiteny fotsiny ny fiarovana ireo aretina maro samihafa toy ny tosi-drà, ny homamiadana sy ny hafa.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 47