FFKM: « Tsy mankany ampiangonana aloha isika fa misoroka ny valanaretina coronavirus »

  • samedi, 21 mars 2020 18:55
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nihaona tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany sabotsy 21 marsa 2020, ireo filoham-piangonana ao amin’ny FFKM. Nisy fanambarana niarahana taorian’ny fihaonana. Nitondra teny ny Pastora Dr Rakotonirina David, filohan’ny FLM sady filoha amperinasa ny FFKM.

Efa iaraha-mahalala fa tafiditra eto Madagasikara ny valanaretina coronavirus, hoy izy, ka « ny ezaka rehetra tsy maintsy atao izao, ifandrimbonan’ny olona tomponandraikitra rehetra na ara-panjakana na ara-piangonana na ny fiarahamonim-pirnena dia ny misoroka, tsy hahafahan’io valanaretina io mitombo eto amin’ny tanintsika. Tsy iadiankevitra intsony ny fisian’ny coronavirus eto fa ny atao dia ny hifehezana azy tanteraka mba tsy hitombo ».

« Sarobidy ny aina, ka atao izay rehetra azo atao mba tsy hisy aina hafoy », hoy hatrany Pastora Dr Rakotonirina David. Izay no ezaka lehibe tsy maintsy atao. « Ny Fiangonana dia mpandray anjara mavitrika amin’izany fiarovana ny aina izany, hoy izy, ary tomponandraikitra voalohany amin’ny fandalana ny aina ».

Miantso ny vahoaka Malagasy, indrindra ny Kristiana, ny FFKM, « mba ajanona mandritra ny fotoana voafetra araka izay handinihana ity valanaretina ity, ny fivoriana samihafa, na komity na fiaraha-mivavaka, na fivoriam-piangonana ».

« Tsy mankany ampiangonana aloha isika fa misoroka ny valanaretina. Any an-tokantrano tsirairay isika no mivavaka. Aleo aloha sakanantsika mba tsy hitombo ity coronavirus ity, satria efa namono olona maro tamin’ny firenena maro, enga anie mba tsy hamono Malagasy».

Nanentana ny Malagasy rehetra ny FFKM hanaraka tsy tapaka ireo vaovao sy vavaka ary Tenin'Andriamanitra ampitaina amin'ny fitaovan-tserasera samihafa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.