Céline Dion: Nodimandry teo amin’ny faha-92 taonany ny reniny

  • samedi, 18 janvier 2020 13:56
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nindaosin’ny fahafatesana ny zoma 17 janoary 2020, i Thérèse Tanguay Dion, reny niteraka an’ilay mpihira malaza Céline Dion.

Mpandraharaha i Thérèse Tanguay Dion, ary mpanentana fandaharana tamina fahitalavitra tany Canada izy tamin’ny fahatanorany. 92 taona izy izao nodimandry izao.

14 mianadahy ry Céline Dion, ary izy no zandriolona sady faravavy amin’izy mpiray tampo. Tany ampitetezana faritra any Etazonia, manao fampisehoana i Céline Dion, no izao nodimandry izao ny reniny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.