Sakafo: Misokatra ny toeram-pisakafoana voalohan’ny vondrona KFC

  • lundi, 18 novembre 2019 16:11
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nanoka-baravarana etsy amin’ny Tana Waterfront Ambodivona, nanomboka androany 18 novambra 2019 ny toeram-pisakafoana voalohan’ny vondrona KFC.

Ny fisokafan’ny toerana tahaka itony eto amintsika dia hitondra fitomboana eo amin’ny lafiny toe-karena, ary hiteraka asa ho an’ny mponina, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny lanonam-panokafana ity toeram-pisakafoana ity.

Hisy toeram-pivarotana faharoa hisokatra eto Antananarivo Renivohitra amin’ny volana aprily 2020, ary hiitatra any amin'ny faritany aorian’izay, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny vondrona KFC.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.