Jacques Nanahary: Hatao rahampitso ny fandevenana azy

  • jeudi, 07 novembre 2019 22:22
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hotanterahina ny zoma 8 novambra 2019 ny fanitrihana ny nofomangatsiakan’i Andriamilisoananahary Jacques Florian, na Jacques Nanahary, any amin’ny fasan-drazany any Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo. Hifamotoana eny Soavimasoandro, misy ny trano fonenan’i Jacques Nanahary, ny mpanakanto araka ny fanantenana nataon’ny OMDA (Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona) hanao veloma farany azy.

Nindaosin’ny fahafatesana ny marainan’ny alarobia 6 novambra 2019 teo amin’ny 78 taona i Jacques Nanahary.

Dimy lahy tamin’ireo folo mianadahy iray tampo, izy ireo no tao amin’ny tarika Ny Nanahary fa ny efatra dia i Mamy, Efraïma, Pierre Railala ary Jacques izay samy efa nodimandry avokoa, no tena nanohy niaraka tamin-dry Rakotondranoro Marcel, ity farany izay efa nodimandry ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.