Antsirabe: Nanome voninahitra farany an'i Dadah

  • jeudi, 07 novembre 2019 21:52
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Henin-kaja tanteraka ny nandraisan'Antsirabe farany ny nofo mangatsiakan'i Dadah tao amin'ny tarika Mahaleo androany.

Hipoka ny kianjan'ny kolontsaina, nanoloana ny Tranom-pokonolona. Tokony ho tamin'ny 2ora no nanomboka tonga ny vahoaka sy ny mpanakanto, ary nanomboka ny fanentanana ara-javakanto niventesana ny hiran'i Dadah.

Tokony tamin'ny 4 ora latsaka no nigadona ny razany, ary nisy ny lahateny fohy nentin'ny solontenan'ny sampandraharahan'ny kolontsaina, ary i Bekoto (Mahaleo) no nitondra fisaorana ho an'ny mponin'Antsirabe ka nanambarany fa teto izy ireo no niainga ary dia eto ihany koa no hody.

Rehefa lasa ny razana halevina any Betafo dia mbola nitohy kosa ny hirahira sy kalokalo nataon'ireo mpanakanton'Antsirabe ho fahatsiarovana an'i Dadah.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.