"Rallye Scientifique" : Mpianatry ny lycée Ikalamavony no hisolotena ny DREN Matsiatra Ambony

  • vendredi, 02 août 2019 14:44
  • Tigre
  • Sary nindramina

Noraisin'ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ikalamavony, Rtoa Raharimampionona, ireo mpianatra telo mirahalahy izay avy amin'ny Lycée Ikalamavony solontenan'ny DREN Matsiatra Ambony hiatrika ny fifaninanana "Rallye Scientifique" izay tontonsaina eto Antananarivo ao amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena Anosy.

Fifaninanana maro no tsy maintsy nandalovan'ireto mpianatra avy amin'ny Lycée Ikalamavony ireto izay nandraisan'ny ny Cisco rehetra anjara manerana ny Nosy.

Raha tao amin'ireo Cisco ao amin'ny DREN  Matsiatra Ambony dia izy telo lahy ireto no hiatrika ny famaranana aty Antananarivo.

Manana ny hoavy mamiratra Ikalamavony amin'ny sehatry ny fanabeazana ankehitriny.

Nirary soa ho azy ny Solombavambahoaka mba handrombaka ny amboara ho reharehan'Ikalamavony sy ny fanabeazanam-pirenena.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.