Olomalaza: Be mpitia i Michelle Obama sy Bill Gates

  • mercredi, 24 juillet 2019 10:06
  • Britto
  • Sary nindramina

Namoaka vokatry ny fanadihadiana nataony ny ivon-toerana YouGov, manana ny foiben-toerany any Angletera any. Mikasika ireo olomalaza sy ankasitrahan’ny olona indrindra ny zavatra ataony ny fanadihadiana nataony.

Ho an’ny vehivavy ary dia Rtoa Michelle Obama, vadin’ny filoha amerikanina teo aloha no mitana ny laharana voalohany, arahin’i Oprah Winfrey, izy ity dia mpanentana sady mpamokatra fandaharana malaza amin’ny fahitalavitra amerikanina, ary ilay vehivavy mpilalao sarimihetsika Angelina Jolie no eo amin’ny laharana fahatelo.

Eo amin’ny lehilahy indray dia mbola malaza aloha i Bill Gates, filoha mpanorina ny Microsoft amin’ny resaka informatika sy nanangana ny Fondation Bill-et-Melinda-Gates manohana ny fampianarana sy fahasalamana, arahin’i Barack Obama, ary fahatelo ilay mpilalao sarimihetsika sady mpanao haiady malaza, Jackie Chan.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.