OMACI: Noterena hatao androany ny famindram-pahefana

  • mardi, 07 mai 2019 19:29
  • Britto

Filankevitry ny minisitra tamin’ny 17 aprily 2019 no nandraisana ny Didy hitsivolana manafoana ny lalàna laharana faha-2017-011 tamin’ny 26 jolay 2017 mikasika ny politikam-pirenen’ny sarimihetsika sy ny sary miaina araka ny volavolan-kevitra naroson’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Nampahatsiahivina tamin’ny tati-baovao nomena ny mpanao gazety tamin’io, fa ny lalàna laharana faha-2018-037 mikasika ny fotokevitra mifehy ny orinasam-panjakana na sampan-draharaham-panjakana dia milaza mazava fa didim-panjakana fa tsy lalàna no hamaritana ny fananganana sampa-draharaham-panjakana tahaka ny OMACI na ny Ofisy malagasy momba ny sarimihetsika sy ny sary miaina.

Ilay lalàna laharana faha-2017-011 anefa dia manangana ny OMACI, ary natao lalàna avokoa ny teboka rehetra tokony hapetraka amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Manery araka izany io lalàna laharana faha-2018-037 io, hoy hatrany ny fanazavana, ny tokony hamerenana ny fananganana sampandraharaham-panjakana amin’ny alalan’ny didim-panjakana.

Nolazaina nandritra ny fakankevitra nataon’ny minisitera fa maro an’isa amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika no tsy afa-po ary tsy nankasitraka io lalàna faha-2017-011 io, satria tsy mba nakan-kevitra izy ireo tamin’ny fandrafetana azy.

Mandà ny fahamarinan’ny fisian’io maro an’isa anefa ireo Administratera teo anivon’ny OMACI, izay nanamarika fa fikambanana vao niforona sy noforonina herinandro vitsy talohan’io ambara fa fakankevitra natao io ireo ambara fa maro an’isa tsy afa-po ary tsy nankasitraka io lalàna io.

Manamarika ihany koa ireto Administratera ireto fa misy hamehana ve ny tsy maintsy nandravana ny OMACI fa tsy niandrasana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimieram-pirenena aorian’ny fifidianana solombavambahoaka hatao afaka herinandro vitsy.

Tsy afaka niandry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena izay manamarina na mifanaraka amin’ny Lalampanorenena na tsia io Didy hitsivolana manafoana ny lalàna laharana faha-2017-011 tamin’ny 26 jolay 2017 mikasika ny politikam-pirenen’ny sarimihetsika sy ny sary miaina noraisina nandritra ny Filankevitry ny minisitra tamin’ny 17 aprily 2019 io, no terena tsy maintsy atao anatin’ny hamehana androany ny famindram-pahefana eo amin’ny Tale Jeneralin’ny Antokon-draharaha Malagasy momba ny sinema sy ny sary miaina (OMACI) Ramitandrinarivo Bon-Temps sy ny Tale jeneralin’ny kolontsaina Razafiarison Francis Alexandre.

Niantsoana mpitandro ny filaminana mitam-basy mihitsy teny amin’ny foiben-toeran’ny OMACI Analakely androany. Fanalahidin’ny trano no natolotra. Nogiazana tsy azo idirana ny birao taorian’izay.

Ankoatra ireo mpiasa izay mety ho very asa aterak’ity fanapahan-kevitry ny fanjakana ity, dia maneho ahiahiny koa ireo mpisehatra malagasy amin’ny tontolon’ny sinema sy sary miaina ny hiverenan’ny gaboraraka. Ahoana ihany koa no ho fandehan’ny volabe eo amin’ny 16 miliara Ariary isan-taona mikoriana ao anatin’ity sehatra ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.