Tarika ADN: Mivoy ny mozika mafana

  • jeudi, 04 avril 2019 08:51
  • Britto

Ny taona 2009 no nahita masoandro ny tarika ADN. Tarika ivondronan’ireo tanora vao erotrerony tokoa, izay samy mpiondana ny mozika mihetsika toy ny rap, ragga, zouk love sy ireo gadona mampitsinjaka am-pitoerana mampiavaka ny kaontinantan’i Afrika.

Mampiavaka an-dry zalahy ADN ilay filazana ny zava-misy anivom-piaraha-monina amin’ny fomba mivantana nefa amin’ny endriny kanto anatin’ireo tononkirany feno anatra mafonja.

Nomarihan’ny mpikambana eo anivon’ny ADN fa mandalo sedra maro ny tarika ankehitriny, saingy tsy natao hahakivy izany, hoy izy ireo fa vao maika hatao ho fanoitra hanatsarana hatrany ny tolotra omena ireo mpankafy.

Ampahany amin’ireo vazon’ny ADN efa maro mpankafy ny “Lamesa”, “Toky fitaka” ary ny “Ragga top”, ity farany izay vao haingana tokoa no nakorisa teny anivon’ireo haino aman-jery maro eto an-tanàna.

Ankoatry ny filalaovan’ny ADN ireo mozika tropikaly dia tsy atoro voanjo hadiana amin’ny famolahana ny gadona hafa loko ihany koa izy ireo. Hisy, araka izany, atsy ho atsy ny famoahany bagasy izay aseho anatin’ny fianjaika mampiavaka ny Malagasy ihany koa.

Amperiny amin’ny fiketrehana ny rakim-peony ankehitriny ny ADN ary tsy ho ela ny fiakarana an-tsehatra. Manan-talenta amin’ny famoronana soradihy ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ity tarika tanora ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.