Ny Sakelidalana: Hiaka-tsehatra any Fianarantsoa

  • jeudi, 04 avril 2019 08:34
  • Britto
  • Sary nomena

Ela niandrasana ! Seho goavana miisa telo no hotanterahin’ny tarika Ny Sakelidalana mpiangaly ny bagasy, ao an-drenivohitry Betsileo. Hanokatra izany ny Cabaret, atao ny alin’ny zoma 12 aprily ho avy izao, ao amin’ny Espace Andry (ex Tranompokonolona Tsianolondroa).

Ankoatry ny tarika Ny Sakelidalana dia hian-tsehatra ihany koa ny tarika MRJ milalao gadona maroloko tsy zoviana amin’ny mponin’i Fianarantsoa. Hitohy ny tolakandron’ny sabotsy 13 aprily ao amin’ny efitrano malalaky ny EKAR Fo Masin’i Jesoa Fianarantsoa ny fiarahana amin’ny tarika Ny Sakelidalana, ary ho faranana amin’ny alalan’ny rindran-kira evanjelika handraisan’ny tarika Noely sy ry zareo MRJ anjara, ao amin’ny Espace Andry ihany, ny tolakandron’ny alahady 14 aprily.

Ankoatry ny fifandimbiasana an-tsehatra hisy eo amin’ny tarika roa tonta dia hisy ny fampiaraham-peo amin’ny tarika MRJ sy ny Ny Sakelidalana. Tsongaina amin’izany ny fiaraha-mivazo ny “Ilay takariva kely” sy ny “Fitia manalasala”.

Ho fihaonan’ny tia sy ny manina tanteraka, araka izany, ity fiakarana an-tsehatra hanao tohivakana hiarahana amin’ny Ny Sakelidalana sy ny tarika MRJ zanaky Fianarantsoa, sady mpikarakara ny seho any an-toerana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.