Hasina Ratera: Nampiara-dia ny mozika sy ny tononkalo

  • jeudi, 04 avril 2019 08:33
  • Britto
  • Sary nomena

Hasina Ratera, solofo dimbin’ny ala avy amin-dRajesitera William. Ity farany izay mpanoratra, mpamoron-kira ary mpanao hosodoko nanana ny naha-izy azy tanteraka fony fahavelony.

Teo amin’ny faha enina ambinifolo taonany i Hasina Ratera no nanomboka nanakorisa ny penina hanjary tononkalo mandraka ankehitriny. Rehefa nigadona ny faha roa amby roampolo taonany no nifoha ny aingam-pamoronan-kira tao anatiny. Ny fivoizana ny gadona malagasy avy eto ampovoan-tany izay hanehoana ihany koa ny fomba fitafy, ny zavamaneno malagasy ary ny fampiarahana izany amin’ny tononkalo. Ireo no mandrafitra ny taokanto vaovao nojarian’i Hasina Ratera.

Tanjon’ity mpanakanto ity, araka izany, ny hanandratra avo ny maha-Malagasy amin’ny alalan’ny tononkira sy tononkalo voajary avy amin’ny alalan’ny fampiasana ny voambolana malagasy. Ireo rehetra ireo voaravaky ny mozika tsara rafitra sy voarindra amin’ny endrika kanto.

Misandrahaka amin’ny lohahevitra maroloko toy ny fitiavana, ny fiainana andavan’andro, sns ny tononkirako, hoy i Hasina Ratera. Saingy ironako kokoa ankehitriny ny fanomezam-boninahitra sy fiderana an’ilay Ray nahary ny tany sy ny lanitra ary ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ho an’ny Malagasy tsy ankanavaka.

Ampahany amin’ireo taokanto efa maro mpankafy novokarin’i Hasina Ratera ilay sanganasa misalotra ny lohateny hoe : “Tononkalo”. Ity farany izay manasongadina ny fahaiza-manaon’ity mpanakanto ity amin’ny fampiarahana ny mozika sy ny tononkalo hanjary taokanto mambabo fo sy fanahy ary sahaza ny isan-tokonana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.