Kolontsaina: Nodimandry androany teo amin’ny faha-83 taonany i Dadagaby « Voninavoko »

  • jeudi, 31 mai 2018 10:50
  • Britto
  • Sary net

Lavo ny andrarezina ! Androany maraina, 31 may 2018, no nanao fanambarana tamin’ny anaran’ny fianakaviany tao amin’ny pejy fesibokiny ny zanany lahy, Christian Tsilavina, milaza fa “amin'alahelo lehibe no ilazanay fianakaviana fa nodimandry androany maraina tamin’ny 5 ora i Dada (Dadagaby). Efa nanao ny ala nenina ny mpitsabo fa dia lasana izy anio”.

Fianjerana in-droa nisesy tao an-tranony ny sabotsy 19 may 2018 no nitarika ny tsy fahasalaman’i Dadagaby, ary nampidirana azy maika avy hatrany tao amin’ny sampana famelomanain’ny hopitaly HJRA Ampefiloha-Antananarivo, ny andron’io ihany. Hatramin’ny taona 2002 no voalaza fa nanany olana amin’ny tosidrà.

Rakotomavo Gabriel no tena anarany feno, 83 taona izy izao nodimandry izao. Mpamorona ny tarika Voninavoko izy ny taona 1965.

Hira isany ahafantaran’ny maro azy ny Voninavoko, Tsiriry, Zanak'Iarivo, Raozy mavo kely, Manja, sy ny hafa marobe. Maro ny mpanakanto taty aoriana no namerina nihira ny sasany amin'ireo hirany ireo.

Mpampianatra sy mpamorona dihy ihany koa Dadagaby. Maro ny hetsika nandraisana anjara, tsy teto an-toerana ihany, fa hatrany ampitan-dranomasina any.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.