Fianarantsoa: Ady amin'ny sakafo maika na fast-food

  • vendredi, 25 mai 2018 10:18
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nomena lanja ato anatin’ny hetsika Salon du Bon et du Goût ny ankizy amin'ny alalan'ny fifaninanana nahandro gasy.

Izany no atao dia ho fanentanana ny ankizy 9 ka hatramin'ny 13 taona amin'izany fikarakarana sakafo malagasy sy mahasalama izany. Nifantoka amin'ny vokatra hazandranomamy ny fifaninanana ary tarika 5 ahitàna mpikambana telo isany avy ny mpandray anjara.

Misokatra amin'ny ankizy lahy sy vavy izany ka ny vavikely avokoa no tafakatra famaranana.

Adiny roa no faharetan'ny fanatanterahana ny fikarakarana vary sy laoka miaraka amin'ny antsoina hoe : "dressage" na ny fandaharana azy rehefa haroso hohanina.

Mivoaka mpandresy amin'izany ny tarika mahafeno fepetra sy misongadina manokana amin'ny fahaizana miara-miasa.
Andiany voalohany izao hetsika tsikonona tanterahina izao ka tanjona lehibe ny famoahana ny talentan'ireo ankizy tia mahandro any an-tokantrano.

Manantena ny handrisika azy ireo amin'io taranja io ho asa fivelomana any aoriana any ny ray aman-dreny sasantsasany tonga manohana ny zanany amin'izao hetsika izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.