Art et Culture

    • vendredi, 25 octobre 2019 23:08

    « AKORY E! »: Atrikasa fampiroboroboana ny fitenim-paritra

    Hotanterahina eo amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny 29, 30, 31 oktobra 2019 ny hetsika « AKORY E! », izay atrikasa fampiroboroboana ny fitenim-paritra karakarain’ny fikambanana GASIKO. Ny fahatsapana fa maro ny samy Malagasy tsy mifankahazo eo amin’ny fiteny, noho ny tsy fahampian’ny fahalalana ka mampisy elanelana no nanosika ny fikambanana hikarakara ity hetsika ity, miaraka amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy serasera, ary anisan’ny tanjona amin’ny fanatanterahina ity hetsika ity ihany koa ny hampidirana ny fianarana fitenim-paritra ho ao anatin’ny rafi-pampianarana Malagasy.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 octobre 2019 14:42
    • Sary nindramina

    KOPI-KOLE Rossy: Hotsenaina makotroka eto Fianarantsoa

    Higadona eto Fianarantsoa amin’ny sabotsy 26 oktobra izao Ra-Tin, nivoaka mpandresy tamin’ny fifaninanana « KOPI-KOLE 2019 » nokarakarain’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus. « KOPI-KOLE Rossy » i Ra-Tin. Hisy lanonana ho fandraisana azy hatao eo amin’ny Rex Tsianolondroa ny tolakandron’io Sabotsy io, hafanain’ny Tarika Rossy miaraka amin'ny Bampampa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 octobre 2019 11:49
    • Sary Njaka

    Fafa Mahaleo: Nosalorana mari-boninahitra grand officier de l'ordre national

    Nosalorana mari-boninahitra grand officier de l'ordre national i Rajaonarison Famantanantsoa na Fafa Mahaleo. Ny praiministra Ntsay Christian no nanolotra izany. Ny Razana dia hanainga eto amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tolakandro. Mifandimby manolotra hira ireo mpanakanto maro be alohan'ny hiazoany ny fiangonana tranovato Faravohitra, ary eny Ilafy kosa ny handevenana azy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 octobre 2019 23:13
    • Sary nindramina

    Fafa Mahaleo: Hatao eny Ilafy ny alarobia 23 oktobra ny fandevenana azy

    Hisy ny fanomezam-boninahitra farany an-dRajaonarison Famantanantsoa na Fafa Mahaleo ; izany dia hatao ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina amin'ny alarobia 23 oktobra 2019. Hifamotoana eny an-toerana ny artista amin’ny 8 ora sy sasany maraina, raha ny fandaminan’ny OMDA (Office Malagasy du Droit d'Auteur). Amin'ny 10 ora no ho tonga ao an-toerana ny nofomangatsikan'i Fafa Ho entina eny amin'ny FJKM Faravohitra ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra, aorian’izay, io andron’ny alarobia io ihany, dia hiazo an’i Rangaina-Ilafy Antananarivo Avaradrano hanatanterahana ny fandevenana. Nodimandry omaly alahady 20 oktobra 2019, teo amin’ny faha-65 taona i Fafa rehefa nialana nenina notsaboina tao amin’ny HJRA Ampefiloha Antananarivo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 octobre 2019 10:11
    • Photos fournies

    Technologie: Girls Robotika Madagascar

    Manantena ny fanohanantsika ara-moraly, indrindra ara-bola, ireo tanora vavitsika Malagasy hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny robotika atao any Armenia ny 9 novambra ho avy izao. Merci de soutenir nos jeunes filles pour le concours mondial en robotique Armenia 9 novembre 2019.Vos encouragements sont les bienvenus mais surtout, elles ont besoin d'argent pour y aller. (Voir Photos Suite)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 octobre 2019 19:46
    • Sary nindramina

    « Découverte » – « Kôpi Kôlé » 2019 : Nibata ny fandresena i Mamiana sy « Rossy »

    Fampisehoana lehibe tao amin’ny Coliseum Antsonjombe-Antananarivo no nanakatona ny fifaninanana « Découverte » sy « Kôpi Kôlé » taona 2019, nokarakarain’ny fahitalavitra tsy miankina TV Plus Madagascar. Nambabo ny fon’ny mpijery sy ny mpitsara ary ny mpanatrika ny famaranana i Mi-Dera Glôpôpôpy avy ao Antsirabe, ka izay no voafidy ho « Coup de cœur » teo amin’ny sokajy « Découverte » tamin’ity fifaninanana ity. Nandrombaka ny fandresena tamin’io sokajy « Découverte » kosa i Mamiana. Ity tovovavy ity no zandriolona indrindra tamin’ireo mpifaninana niatrika ny famaranana ; 14 taona i Mamiana. Fa nambabo ny fon’ny mpijery sy ny mpitsara ary ny mpanatrika ny famaranana ny sokajy « Kôpi Kôlé » tamin’ity andiany 2019 ity i Hery avy any Moramanga, nanao « Kôpi Kôlé » Jaojoby. Nandrombaka ny « Kôpi Kôlé 2019 » i Ra-Tin avy any Fianarantsoa, « Kôpi Kôlé Rossy».
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 octobre 2019 18:12
    • Sary nindramina

    Big MJ: Hafa kely ny nankalazany ny faha-32 taonany

    « Tsingerintaona nahaterahako androany 20 oktobra », hoy i Big MJ ao amin’ny pejiny facebook. Faniriany ny hiara hifaly sy hiara hisakafo amin’ny olona rehetra, saingy ho sarotra izany hoy ity mpanakanto zanak’Antalaha ity. Nitety toerana samihafa i Big MJ, androany, nizara pizza sy sandwitch tamin’ireo olona sahirana, nanamarihana izao fankalazany ny faha-32 taonany izao. Toetranaina Parfait no tena anarany, Big MJ kosa no anarana maha mpanakanto ahafantaran’ny maro azy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 20 octobre 2019 15:41
    • Sary nindramina

    Fafah Mahaleo: Nodimandry androany teo amin’ny faha-65 taonany

    Namoy ny rahalahy, mpikambana mpiara-mamorona ny tarika Mahaleo. Nodimandry ny marainan’ity alahady 20 oktobra 2019 ity,  teo amin’ny faha-65 taonany Rajaonarison Famantanantsoa na Fafah araka ny ahafantaran’ny maro azy. Efa narefo fotoana lavalava, misava mirakotra ny fahasalaman’i Fafah, antony tsy nahafahany niaka-tsehatra niaraka tamin’ireo namany tamin’ny fampisehoana nataon’ny tarika Mahaleo, tao Antsahamanitra ny 13 oktobra 2019. Ao amin’ny tranompaty HJRA Ampefiloha ny nofo mangatsiakany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 octobre 2019 09:32
    • Sary Njaka

    Arménie: Fifaninana Robotex, andray anjara ny tanora Malagasy

    Andray anjara i Madagasikara amin'ny fifaninana ROBOTEX izay atao any Arménie ny faha 9 novambra ho avy izao. Amin'io no ampisehoana ny zava-bitan'ny Malagasy izay mitaha amin'ireo firenena maro be.Ity hetsika ity moa dia mamondrona ireo tanora 14 ka hatramin'ny 18 taona izay atao isan-taona. Ny STEM4GOOD no manomana izany hoantsika eto Madagasikara, ary manao ny sivana hoan'ireo tanora siantifika . Mangataka fanampiana ireto farany amin'ny saran-dalana hamonjy any Armenie, izay efa hiantohan'ny mpikarakara ny lany rehetra any an-toerana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 octobre 2019 17:04

    « Festival Jerijery »: Hotontosaina ny 31 okotobra ka hatramin’ny 3 novambra ny Andiany faha-17

    Miomana handray ny « Festival Jerijery » ny tanànan’i Vavatenina. Andiany faha-17 ny amin’ity taona 2019 ity, izay hotontosaina ny 31 okotobra ka hatramin’ny 3 novambra 2019. Hisy fifaninana vakodrazana sy dihy, « Miss Jerijery », fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra, baskety, tsipy kanetibe ary koa adin’akoho. Nahafantaran’ny olona bebe kokoa an’i Vavatenina ny « Festival Jerijery », nivoatra nanaraka an’izay koa ny fanorenana fotodrafitrasa fandraisam-bahiny. Mpanakanto maro no hanafana ny fotoana, toa an-dry Vaiavy Chila, Mario, Ramilison Besigara, Zaza Kanto …  
    Lire la suite ...
Page 5 sur 40