Art et Culture

    • lundi, 06 mai 2019 14:13
    • Sary nindramina

    Tailandy: Apetraka amin'ny fiandrihanany ny mpanjaka Rama X

    Rehefa niamboho ny mpanjaka Bhumibol Adulyadej ny taona 2016, dia nafindra amin'ny zanany lahy Vajiralongkorn, mitondra ny anarana fanjakana Rama X, ny fiandrihanana. Nisy ny fisaonana nandritra ny roa taona, ary omaly alahady 05 mey no natao ny fombofomba rehetra ametrahana ny fiandrihanan'ny mpanjaka vaovao. Maharitra 3 andro ny fety sy ny fombafomba rehetra anatanterahina izany famindrana fiandrihanana izany, izay andaniana vola 26 millions d'euro. Tomefy olona miakanjo mavo, lokon'ny fiandrianana ny lapan'ny Bangkok, nentina nolanjaina manodidina ny lapa moa ity mpanjaka vaovao ity, izay izy no tanora indrindra hatramin'izay mpanjaka nifadimby izay. Nahatratra 7km ny olona nanaraka izany diabe izany, izay notronon'ny olona efa ho 200 000 tany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 05 mai 2019 13:47

    Ramadany 2019: Hanomboka rahampitso alatsinainy 6 mey

    Hifanontona ny fanombohan’ny volana Ramadany sy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ity taona ity. Hanomboka rahampitso alatsinainy 6 mey 2019 ny Ramadany ary hifarana amin’ny talata 4 jona 2019. Marihina ny alarobia 5 jona 2019 ny « Aïd al-Fitr ». Tany amin’ny taonjato faha-VII no niditra teto Madagasikara ny finoana silamo. Tombanana ho 1,1 % ny Malagasy no silamo.
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 avril 2019 08:44
    • Sary Njaka

    Antaninarenina: Foara ho an'ny boky

    Notontosaina omaly alatsinainy29 aprily, tetsy amin'ny zaridaina Antaninarenina, ny foara ho an'ny boky andiany fa 15. Tonga nanotrona sy nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Manodidina ny roampolo eo ho eo ny trano eva mampiranty sy mivarotra izany boky izany, izay ahitana karazana boky maro toy ny baiboly, fampianarana amin'ny ankapobeny. Hifarana ny sabotsy 4 mey izao ity Foara ho an'ny boky ity.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 avril 2019 12:38
    • Sary Njaka

    Isotry: Anarana sisa ny “Teatra Monisipaly”

    Efa aman-taonany maro no tsy nisy teatra tato amin’ity toerana ity. Tsy ny tropy teatraly no tsy vonona, fa ny fotodrafitrasa no tsy afaka nampiasaina noho ny fahasimbany. Mijanona ho fampanantenana ny fanarenana ny “Teatra Monisipaly” Isotry-Antananarivo. Tsy vitan’ny hoe fialamboly anefa ny mijery teatra, fa fitaizana ary tena nanana ny lanjany ara-tantara mikasika ny fitiavan-tanindrazana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 avril 2019 19:26
    • Sary Njaka

    Tarika Mahaleo: Hanao hetsika amin'ny volana mey 2019

    Hifantoka tanteraka amin'ny hetsika izay karakarainy ny tarika MAHALEO, hoy Bekoto mpikambana ao anatin'ny tarika, fa tsy hiditra lalina amin'ny resaka tsaho izay nanadala ny saim-bahoaka tamin'iny herinandro iny, izay mahakasika ny filazana ny fahatesan'i Fafah, izay vaovao tsy marina, fa dia andraikitry ny ministera misahana izany no manao ny fanadihadiana. Hanao fampisehoana goavana ny tarika MAHALEO ny alahady faha 5 mey ho avy izao, izay atao ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Fampisehoana izay karakarain'ny Canal 7event izy ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 avril 2019 08:51

    Tarika ADN: Mivoy ny mozika mafana

    Ny taona 2009 no nahita masoandro ny tarika ADN. Tarika ivondronan’ireo tanora vao erotrerony tokoa, izay samy mpiondana ny mozika mihetsika toy ny rap, ragga, zouk love sy ireo gadona mampitsinjaka am-pitoerana mampiavaka ny kaontinantan’i Afrika. Mampiavaka an-dry zalahy ADN ilay filazana ny zava-misy anivom-piaraha-monina amin’ny fomba mivantana nefa amin’ny endriny kanto anatin’ireo tononkirany feno anatra mafonja. Nomarihan’ny mpikambana eo anivon’ny ADN fa mandalo sedra maro ny tarika ankehitriny, saingy tsy natao hahakivy izany, hoy izy ireo fa vao maika hatao ho fanoitra hanatsarana hatrany ny tolotra omena ireo mpankafy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 avril 2019 08:34
    • Sary nomena

    Ny Sakelidalana: Hiaka-tsehatra any Fianarantsoa

    Ela niandrasana ! Seho goavana miisa telo no hotanterahin’ny tarika Ny Sakelidalana mpiangaly ny bagasy, ao an-drenivohitry Betsileo. Hanokatra izany ny Cabaret, atao ny alin’ny zoma 12 aprily ho avy izao, ao amin’ny Espace Andry (ex Tranompokonolona Tsianolondroa). Ankoatry ny tarika Ny Sakelidalana dia hian-tsehatra ihany koa ny tarika MRJ milalao gadona maroloko tsy zoviana amin’ny mponin’i Fianarantsoa. Hitohy ny tolakandron’ny sabotsy 13 aprily ao amin’ny efitrano malalaky ny EKAR Fo Masin’i Jesoa Fianarantsoa ny fiarahana amin’ny tarika Ny Sakelidalana, ary ho faranana amin’ny alalan’ny rindran-kira evanjelika handraisan’ny tarika Noely sy ry zareo MRJ anjara, ao amin’ny Espace Andry ihany, ny tolakandron’ny alahady 14 aprily.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 avril 2019 08:33
    • Sary nomena

    Hasina Ratera: Nampiara-dia ny mozika sy ny tononkalo

    Hasina Ratera, solofo dimbin’ny ala avy amin-dRajesitera William. Ity farany izay mpanoratra, mpamoron-kira ary mpanao hosodoko nanana ny naha-izy azy tanteraka fony fahavelony. Teo amin’ny faha enina ambinifolo taonany i Hasina Ratera no nanomboka nanakorisa ny penina hanjary tononkalo mandraka ankehitriny. Rehefa nigadona ny faha roa amby roampolo taonany no nifoha ny aingam-pamoronan-kira tao anatiny. Ny fivoizana ny gadona malagasy avy eto ampovoan-tany izay hanehoana ihany koa ny fomba fitafy, ny zavamaneno malagasy ary ny fampiarahana izany amin’ny tononkalo. Ireo no mandrafitra ny taokanto vaovao nojarian’i Hasina Ratera.
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 avril 2019 09:33
    • Sary nindramina

    Tarika REBIKA: Manomana rakikira vaovao be

    Hanamarihana ny 30 taona nilomanosan’ny Tarika REBIKA tao anatin’ny habaky ny kanto ity rakikira vaovao be ity. Anatin’ny fanomanana azy io ny tarika amin’izao, ary hivoaka tsy ho ela ho an’ny mpankafy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 mars 2019 09:05
    • Sary nomena

    Mpivoy A Capella: Tonga eto Madagasikara ny tarika amerikana Freedom's Boombx

    Hivahiny mandritra ny herinandro eto Madagasikara ity tarika ity. Ny Masoivoho Amerikana no mikarakara ny diany eto, manamafy ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy Etazonia. Hifanakalo traikefa amin’ireo mpanakanto Malagasy mpivoy ny gadona A Capella sy human beatbox ny tarika mandritra ny diany eto ary hihaona sy hitafa amin’ireo mpianatra mozika amina sekoly manokana misahana izany, ary koa hitsidika Ankany mitaiza tanora eto an-drenivohitra. Hanatanteraka fampisehoana maimaimpoana etsy amin'ny Arena Ivandry izy ireo ny alin'ny Alakamisy 4 Aprily. Raisina etsy amin’ny Ivokolo CMDLAC Analakely ny Alatsinainy sy Talata tolakandro ny tapakila fidirana amin'izany.  
    Lire la suite ...
Page 3 sur 29