Art et Culture

    • vendredi, 05 avril 2019 19:26
    • Sary Njaka

    Tarika Mahaleo: Hanao hetsika amin'ny volana mey 2019

    Hifantoka tanteraka amin'ny hetsika izay karakarainy ny tarika MAHALEO, hoy Bekoto mpikambana ao anatin'ny tarika, fa tsy hiditra lalina amin'ny resaka tsaho izay nanadala ny saim-bahoaka tamin'iny herinandro iny, izay mahakasika ny filazana ny fahatesan'i Fafah, izay vaovao tsy marina, fa dia andraikitry ny ministera misahana izany no manao ny fanadihadiana. Hanao fampisehoana goavana ny tarika MAHALEO ny alahady faha 5 mey ho avy izao, izay atao ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Fampisehoana izay karakarain'ny Canal 7event izy ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 avril 2019 08:51

    Tarika ADN: Mivoy ny mozika mafana

    Ny taona 2009 no nahita masoandro ny tarika ADN. Tarika ivondronan’ireo tanora vao erotrerony tokoa, izay samy mpiondana ny mozika mihetsika toy ny rap, ragga, zouk love sy ireo gadona mampitsinjaka am-pitoerana mampiavaka ny kaontinantan’i Afrika. Mampiavaka an-dry zalahy ADN ilay filazana ny zava-misy anivom-piaraha-monina amin’ny fomba mivantana nefa amin’ny endriny kanto anatin’ireo tononkirany feno anatra mafonja. Nomarihan’ny mpikambana eo anivon’ny ADN fa mandalo sedra maro ny tarika ankehitriny, saingy tsy natao hahakivy izany, hoy izy ireo fa vao maika hatao ho fanoitra hanatsarana hatrany ny tolotra omena ireo mpankafy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 avril 2019 08:34
    • Sary nomena

    Ny Sakelidalana: Hiaka-tsehatra any Fianarantsoa

    Ela niandrasana ! Seho goavana miisa telo no hotanterahin’ny tarika Ny Sakelidalana mpiangaly ny bagasy, ao an-drenivohitry Betsileo. Hanokatra izany ny Cabaret, atao ny alin’ny zoma 12 aprily ho avy izao, ao amin’ny Espace Andry (ex Tranompokonolona Tsianolondroa). Ankoatry ny tarika Ny Sakelidalana dia hian-tsehatra ihany koa ny tarika MRJ milalao gadona maroloko tsy zoviana amin’ny mponin’i Fianarantsoa. Hitohy ny tolakandron’ny sabotsy 13 aprily ao amin’ny efitrano malalaky ny EKAR Fo Masin’i Jesoa Fianarantsoa ny fiarahana amin’ny tarika Ny Sakelidalana, ary ho faranana amin’ny alalan’ny rindran-kira evanjelika handraisan’ny tarika Noely sy ry zareo MRJ anjara, ao amin’ny Espace Andry ihany, ny tolakandron’ny alahady 14 aprily.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 avril 2019 08:33
    • Sary nomena

    Hasina Ratera: Nampiara-dia ny mozika sy ny tononkalo

    Hasina Ratera, solofo dimbin’ny ala avy amin-dRajesitera William. Ity farany izay mpanoratra, mpamoron-kira ary mpanao hosodoko nanana ny naha-izy azy tanteraka fony fahavelony. Teo amin’ny faha enina ambinifolo taonany i Hasina Ratera no nanomboka nanakorisa ny penina hanjary tononkalo mandraka ankehitriny. Rehefa nigadona ny faha roa amby roampolo taonany no nifoha ny aingam-pamoronan-kira tao anatiny. Ny fivoizana ny gadona malagasy avy eto ampovoan-tany izay hanehoana ihany koa ny fomba fitafy, ny zavamaneno malagasy ary ny fampiarahana izany amin’ny tononkalo. Ireo no mandrafitra ny taokanto vaovao nojarian’i Hasina Ratera.
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 avril 2019 09:33
    • Sary nindramina

    Tarika REBIKA: Manomana rakikira vaovao be

    Hanamarihana ny 30 taona nilomanosan’ny Tarika REBIKA tao anatin’ny habaky ny kanto ity rakikira vaovao be ity. Anatin’ny fanomanana azy io ny tarika amin’izao, ary hivoaka tsy ho ela ho an’ny mpankafy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 29 mars 2019 09:05
    • Sary nomena

    Mpivoy A Capella: Tonga eto Madagasikara ny tarika amerikana Freedom's Boombx

    Hivahiny mandritra ny herinandro eto Madagasikara ity tarika ity. Ny Masoivoho Amerikana no mikarakara ny diany eto, manamafy ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy Etazonia. Hifanakalo traikefa amin’ireo mpanakanto Malagasy mpivoy ny gadona A Capella sy human beatbox ny tarika mandritra ny diany eto ary hihaona sy hitafa amin’ireo mpianatra mozika amina sekoly manokana misahana izany, ary koa hitsidika Ankany mitaiza tanora eto an-drenivohitra. Hanatanteraka fampisehoana maimaimpoana etsy amin'ny Arena Ivandry izy ireo ny alin'ny Alakamisy 4 Aprily. Raisina etsy amin’ny Ivokolo CMDLAC Analakely ny Alatsinainy sy Talata tolakandro ny tapakila fidirana amin'izany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 26 mars 2019 18:48
    • Sary nindramina

    Andapa: Resabe ny fikasana ny hamindrana ilay sary vongana « Al Portatore Malgascio » ho any Antananarivo

    Nandefa taratasy any amin’ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, tamin’ny 14 martsa 2019, mampita ny fangatahan’ny Masoivohon’ny firenena Italiana eto Madagasikara ny hamindrana toerana any Antananarivo Renivohitra ilay sary vongana vita amin’ny « tsy » na « statue en acier inoxydable » napetrak’i Carlo Mo mitondra ny anarana « Al Portatore Malgascio », ao amin’ny Kaominina Andrakata, Distrika Andapa, Faritra SAVA tamin’ny taona 1970 sy 1971. Izao famindran-toerana izao no atao, araka ny taratasy hatrany, dia mariky ny fiaraha-miasa sy ivontoeran’ny fifankatiavan’ny firenena roa tonta ao an-drenivohitra.Vonona ny Masoivohon’ny firenena Italiana eto Madagasikara hanonitra ny solon’io sary vongana io araka izay ifanarahana amin’ny mponina aty Andapa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 mars 2019 14:55
    • Sary: Ny Nanahary Ofisialy

    Ny Nanahary: Nodimandry i Pierre, iray tamin’ireo mpamorona ny tarika

    Pierre Nanahary na Ralala, hoy ny fiantson’ireo namany azy fahavelony. Iray tamin’ireo mpikambana mpamorona ny tarika Ny Nanahary izy. Teny anaty saha Anosipatrana – Antananarivo Faha-IV no nisy azy. Nodimandry ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 21 martsa i Pierre Nanahary. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 mars 2019 09:38
    • Sary: Justin Vali

    Artista: Naiditra hopitaly i Donné Randria Ernest, voan'ny AVC

    "Mila ny firaisankinan'ny artista namana", hoy i Justin Vali ao amin'ny pejiny Facebook, hanohanana ity naman'izy ireo tratry ny tsy fahasalamana ity.    
    Lire la suite ...
    • dimanche, 03 mars 2019 10:56
    • Photo fournie

    Recueil de Poèmes: Lamba et Poussière par Alain-Aimé Rajaonarison‌

    Avec ce recueil de poèmes, Alain-Aimé nous offre un beau et mystérieux voyage. Un voyage dont la beauté nous étreint tout de suite, dès le premier mot, le premier vers, la première strophe. Un voyage dont le sens ne se découvrira à nous que lentement, au fil des pages, des images, des évocations. C’est un voyage initiatique que nous offre Alain-Aimé, le long d’un chemin où l’on se plait à flâner, revenir sur ses pas, s’imprégner des atmosphères, méditer sur ce que l’on voit, chercher le sens caché des choses. Premières pages, premières impressions. La première dimension de la lecture est celle de l’appréhension d’un mystère. Un mystère qui, irrésistiblement, attire et aspire le lecteur ; autour duquel il tourne et retourne sans comprendre de quoi il s’agit tout en sachant que là réside quelque chose d’important. Le lecteur qui s’imprègne alors des mots. Des mots gorgés d’imaginaire comme certains fruits le sont de sucre et de jus, des mots gorgés de parfums, de sons, de paysages, de sensualité, d’émotion, de nostalgie. Souvent, le sens littéral de ces mots échappe à la compréhension immédiate. C’est qu’il s’agit de mots rares ou oubliés. Un peu à la manière des mots mallarméens dont l’un, le fameux et mystérieux « Ptyx » du sonnet en X, est purement et simplement inventé. De l’obscurité, de la rareté, de l’ésotérisme nait la poésie des « Passerelle colligeant », « séide martial », « excavation hadale », « lépidoptère verdoyant », « anatidés sagaies » « pétun ardent » ou autre « hypostase divine ». Mais, plus encore que ces mots empruntés au trésor de la langue française, il y a les mots malgaches. Mots malgaches qui, noms propres ou noms communs, sont omniprésents à travers chacun des poèmes, Ravolahanta, Ikelimalaza, Mandranofotsy, Dadamalala, Andriamparazato, Hozamanga, Faty no hisarahana, et tant d’autres encore. On s’imprègne de leur musicalité, de leur graphie longue et raffinée, on se surprend à finalement les prononcer facilement à force de les côtoyer, eux dont la réputation est d’être imprononçable pour qui n’est pas natif de la Grande île, on se découvre à les déguster en bouche, on se découvre à les aimer.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 28