Art et Culture

    • lundi, 18 novembre 2019 17:14
    • Sary nindramina

    Sakafo: Niarahaba ny fahatongavan’ny KFC i Chef Mbinina

    Ora vitsy taorian’ny nisokafan’ny toeram-pisakafoanana voalohan’ny vondrona KFC etsy amin’ny Water Front Ambodivona-Antananarivo androany alatsinainy 18 novambra, dia nanao fanambarana tao amin’ny pejiny facebook i Randrianaivo Ambinintsoa Arson na Chef Mbinina, filoha mpanorina ny La Gastronomie Pizza. « Tongasoa KFC ! », hoy i Chef Mbinina. Nanome toky ireo mpanjifany i Chef Mbinina manoloana ny resabe miely, indrindra amin’ny tambazotra sosialy, milaza fa « ho faty amin’izay ny La Gastronomie Pizza ». « Marina fa bitika kely izahay fa tsy ho faty izany io, hihatsara aza. Hiatrika ady sarotra mihitsy no maha Chef ahy ! Aza matahotra », hoy hatrany i Chef Mbinina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 novembre 2019 16:11
    • Sary nomena

    Sakafo: Misokatra ny toeram-pisakafoana voalohan’ny vondrona KFC

    Nanoka-baravarana etsy amin’ny Tana Waterfront Ambodivona, nanomboka androany 18 novambra 2019 ny toeram-pisakafoana voalohan’ny vondrona KFC. Ny fisokafan’ny toerana tahaka itony eto amintsika dia hitondra fitomboana eo amin’ny lafiny toe-karena, ary hiteraka asa ho an’ny mponina, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny lanonam-panokafana ity toeram-pisakafoana ity. Hisy toeram-pivarotana faharoa hisokatra eto Antananarivo Renivohitra amin’ny volana aprily 2020, ary hiitatra any amin'ny faritany aorian’izay, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao amin’ny vondrona KFC. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 15:07
    • Tahirin-tsary

    Valanjavaboary Tsimbazaza: Ahitana karazam-biby 61 sy zavamaniry 79 karazana

    « Vitrine de Madagascar » na saha lehibe mitahiry zavamaniry sy biby maro karazana maneho ny haren’i Madagasikara ny valanjavaboary na Parc Botanique et Zoologique - Tsimbazaza. 61 ny karazam-biby misy ao, ka vorona ny 18 karazana, biby mandady ny 18, ragidro ny 17 ary 8 karazam-biby mampinono. Misy 79 karazana kosa ny zavamaniry.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 novembre 2019 18:54
    • Sary nindramina

    Diosezy Morondava: Notsofin-drano ny fanitarana ny Katedraly Maria Manjaka

    Tontosa ny alahady 10 novambra 2019 ny sorona masina lehibe nitsofan-drano ny fahavitan’ny fanitarana ny Katedraly Maria Manjaka, Diosezy Morondava eto Namahora. Mahazaka mpiangona miisa 3 000 ity trano fiangonana ity taorian’ny asa fanitarana. Nitarika ny fanompoam-pivavahana ny Kardinaly Mgr Tsarahazana Désiré, teo anatrehan'ny Solontenan’ny Papa Ray Masina, Mgr Paollo Rocco Gualtieri sy ireo Arseveka sy Eveka maro avy any amin'ny Faritra hafa eto Madagasikara. Teo ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy ireo mpikambana tao amin'ny governemanta vitsivitsy, ary ireo mpiara-dia aminy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 novembre 2019 22:30
    • Sary nindramina

    Finoana Katolika: Hotokanana ny Katedraly vaovao aty Namahora Morondava

    Hatao ny Alahady 10 novambra izao ny fitokanana ny Katedraly vaovao aty Namahora Morondava. Hitarika ny lamesa ho amin’izany ny Kardinaly Désiré Tsarahazana sy Mgr Paolo Gualteri solontenan’i Papa Ray Masina, hotronin’ireo Eveka maro eto Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 novembre 2019 16:37
    • Sary nomena

    « Robotex Armenia 2019 »: Tsy lasa ny solontena Malagasy noho ny olana ara-bola

    Niomana i Madagasikara hifaninana amin’ny Robotex Armenia 2019 : International Robotics Contest, fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny robot. Tokony nanainga omaly hariva niazo an’i Arménie ny ekipa malagasy « Girls Robotika Madagascar » nahitana an’i Ravololonantenaina Misa, Landy Tiana, Razanakoto Lorie ary Rasamimanana Mickaella, izay saika hiatrika ny fanamby « Robotex Armenia 2019 ». Tsy tanteraka anefa izany, hoy ny STEM4Good namolavola azy ireo, noho ny olana ara-bola, na teo aza ireo malalatanana vitsivitsy. Tsy hijanona eo ny tantaran'izy dimy vavy, ary tsy ho very maina ny ezaka lehibe natao, ny fiaretan-tory sy ny fitotototoana hitady mpanohana efa ho roa volana izay, fa hatao izay hahatafiditra azy ireo amin'ny fanamby Robotex manaraka, hoy ny STEM4Good. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 novembre 2019 22:22
    • Sary nindramina

    Jacques Nanahary: Hatao rahampitso ny fandevenana azy

    Hotanterahina ny zoma 8 novambra 2019 ny fanitrihana ny nofomangatsiakan’i Andriamilisoananahary Jacques Florian, na Jacques Nanahary, any amin’ny fasan-drazany any Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo. Hifamotoana eny Soavimasoandro, misy ny trano fonenan’i Jacques Nanahary, ny mpanakanto araka ny fanantenana nataon’ny OMDA (Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona) hanao veloma farany azy. Nindaosin’ny fahafatesana ny marainan’ny alarobia 6 novambra 2019 teo amin’ny 78 taona i Jacques Nanahary. Dimy lahy tamin’ireo folo mianadahy iray tampo, izy ireo no tao amin’ny tarika Ny Nanahary fa ny efatra dia i Mamy, Efraïma, Pierre Railala ary Jacques izay samy efa nodimandry avokoa, no tena nanohy niaraka tamin-dry Rakotondranoro Marcel, ity farany izay efa nodimandry ihany koa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 novembre 2019 21:52
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Nanome voninahitra farany an'i Dadah

    Henin-kaja tanteraka ny nandraisan'Antsirabe farany ny nofo mangatsiakan'i Dadah tao amin'ny tarika Mahaleo androany. Hipoka ny kianjan'ny kolontsaina, nanoloana ny Tranom-pokonolona. Tokony ho tamin'ny 2ora no nanomboka tonga ny vahoaka sy ny mpanakanto, ary nanomboka ny fanentanana ara-javakanto niventesana ny hiran'i Dadah. Tokony tamin'ny 4 ora latsaka no nigadona ny razany, ary nisy ny lahateny fohy nentin'ny solontenan'ny sampandraharahan'ny kolontsaina, ary i Bekoto (Mahaleo) no nitondra fisaorana ho an'ny mponin'Antsirabe ka nanambarany fa teto izy ireo no niainga ary dia eto ihany koa no hody. Rehefa lasa ny razana halevina any Betafo dia mbola nitohy kosa ny hirahira sy kalokalo nataon'ireo mpanakanton'Antsirabe ho fahatsiarovana an'i Dadah. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 novembre 2019 19:39
    • Sary nomena

    Analanjirofo: Miroso amin’ny fanorenana tsangambaton’ireo nitondra avo ny kolontsaina

    Jean Fredy sy Dede Fenerive no nisantarana ny fanorenana ny tsangambato ho an’ireo mpanakanto zanaky ny Faritra Analanjirofo nitondra avo ny kolontsaina. Tao amin’ny Tarika MIAREMA ireto mpanakanto ireo. Namoaka hira tao amin’ny Kaiamba nalaza tamin'ny taona 70-80. Vita ny sabotsy 2 novambra 2019 taty Fenoarivo-Atsinanana ny lahojoro sy fametrahana vato fototra mikasika izany, tarihin’ny Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina. Haharitra roa volana ny asa. Niara-niasa tamin’ny talem-paritra Ndiamahazo Mickaelys tamin’ny fanorenana izao tsangambato roa aty Fenoarivo-Atsinanana izao ny solombavambahoaka Mohamad Amady sy Soanera Gabrielle mpandraharaha zanaky ny faritra Analanjirofo monina ao Toamasina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 novembre 2019 12:14
    • Sary nindramina

    Mpanakanto: Nodimandry androany teo amin’ny faha-78 taonany i Jacques Nanahary

    Nindaosin’ny fahafatesana androany alarobia 6 novambra 2019, maraina, i Andriamilisoananahary Jacques Florient, fantatra tamin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe : Jacques Nanahary. Folo mianadahy izy ireo no iray tampo, dimy lahy tamin’ireo samy tao amin’ny tarika Ny Nanahary, fa ny efatra dia i Mamy, Efraïma, Pierre Railala ary Jacques, izay samy efa nodimandry avokoa, no tena nanohy niaraka tamin-dry Rakotondranoro Marcel, fa ny faralahy izay hany sisa velona, efa nijanona tsy nanohy ny sehatry ny fihirana. Teraka tamin’ny 26 jona 1941 i Jacques Nanahary, 78 taona izy izao nodimandry izao. Eny an-tranony eny Soavimasoandro Antananarivo ny nofo mangatsiakany. Ho fantatra amin’ny fotoana manaraka ny fandaharam-potoana ny amin’ny fanaovam-beloma sy fandevenana azy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 37