Andafiavaratra: Tsy notononina ny hoe Nosy Malagasy na fiaraha-mitantana, hitohy any Paris ny dinika

  • lundi, 18 novembre 2019 22:38
  • Tigre
  • Sary nindramina

Taorian'ny fihaonana nataon'ny delegasionina malagasy sy frantsay, dia nisy fanambarana iombonana teo amin'ny roa tonta.

Nisy tamin'izany ny fifampirariantsoa ho an'ny delegasionina malagasy notarihan'ny minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana Ntsay Christian sy ny masoivoho frantsay Marcel ESCURE.

Nanamafy ihany koa ny delegasionina ny fahavononana hiaraka hidinika taorian'ny fifampiresahan'ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, sy ny filoha frantsay Emmanuel Macron.

Ny solotena malagasy dia nanamafy fa fiandrianam-pirenena malagasy manolona ireo nosy ireo, araky ny fanapahana nataon'ny firenena mikambana.

Niara-nanaiky ny roa tonta fa tsy mitovy ny hevitra eo amin'izay fiandrianam-pirenena izay, satria amin'ny Malagasy dia tohin'ny resaka tsy vita tamin'ny famerenana ny fahaleovan-tena izao resaka nosy izao, izay fepetra tsy maintsy dinihina alohan'ny andinihina ny vahaolana miaraka momba ny fampandrosoana.

Ho an'ny Frantsay kosa dia fiandrianam-pirenen'ny Lafrantsa raha ny lalàna iraisam-pirenena ireo nosy ireo.
Nandroso soso-kevitra amin'ny fampandrosoana miaraka ireo faritra ireo ny delegasionina frantsay, mandram-pahitana vahaolana amin'ny tsy fitovian-kevitry ny roa tonta.
Nanamarika ny delegasionina Malagasy fa voaray ny tolo-kevitry ny Frantsay.

Nanamafy ny roa tonta fa nilamina ary nizotra ampirahalahiana ny fihaonana, ary nifanome fotoana hiaona any Paris amin'ny fotona manaraka, izay mbola tsy voafetra.

Hatreto na ny delegasionina Malagasy tsy nanonona ny anarana hoe Nosy Malagasy, ary ny Frantsay tsy nilaza hoe "iles éparses", fa samy notanisaina tamin'ny anarany fotsiny ireo nosy ireo.

Tsy nampiasaina ihany koa ny voambolana hoe "Fiaraha-mitantana na cogestion", fa natao fotsiny hoe fampandrosoana miaraka ireo faritra mandram-pahitana vahaolana amin'ny tsy fitovian-kevitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.