Rina Randriamasinoro: Mijoro amin’ny fahamarinana

  • mardi, 05 novembre 2019 18:25
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Vavaka ! Izay no nisantaran’ny kandida Rina Randriamasinoro ny fotoana mialoha ny tena hirosoana amin’ny tena fampielezankevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Tao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina no toerana nanatanterahana izany androany maraina. Kandida Ben’ny tanàna natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara eto Antananarivo Renivohitra i Rina Randriamasinoro sy ireo mpanolontsaina miaraka aminy. Nanotrona azy ireo ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana sy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo amperinasa Lalao Ravalomanana, miaraka amin’ireo olom-boafidy Tiako i Madagasikara eto Antananarivo Renivohitra.

Izao no mampiseho, hoy ireo mpomba an’i Rina Randriamasinoro, tonga tamin’ity fotoana ity, fa tanora mijoro amin’ny fahamarinana, matahotra an’Andriamanitra, ka azo itokisana fa tsy hivadika amin’ny teny nomena ity kandida mitondra ny laharana faha 02 amin'ny bileta tokana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.