Ampangabe RN7: Maloto ny tontolo iainana, mitaraina aretin-tratra ny mponina noho ny loto ateraky JR Métaux

  • lundi, 19 août 2019 14:54
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote

Mijolofotra ny setroka mainty. Tsy andro tsy alina. Izay no tazan’ny mason’ny mpandalo amin’ny lalam-pirenena fahafito rehefa eny Ampangabe-Atsimondrano eny, toerana misy ny Analamanga Park. « Izao ny ety aminay isan’andro, hatramin’ny nisian’io orinasa mpamokatra vy io », hoy ny mponina sendra ny Gasy Patriote teny an-toerana.

Mitaraina ihany koa izy ireo fa maloto ny rano sy ny fiparitahan’ny fakon’ny orinasa eny amin'ny manodidina, ary tato ho ato dia tsapa, hoy izy ireo, fa mihamahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana, ary lasibatra amin’izany ny zaza sy ny zokiolona eny an-toerana.

Manomboka misy fiantraikany amin’ny asa fivelomanay mpivarotra sy mpanao asa tanana ny zava-misy, hoy ny mpivarotra eo ambanin’ny tetezan’ny lalamby mandika ny lalam-pirenena faha-7, satria tsy mihena ny hery hiasana noho ny aretin-tratra, ny mpanjifa ihany koa misalasala ny hijanona hividy noho ny haloton’ny tontolo iainana.

Marina fa mila asa miforona ho an’ny tanora matanjaka saingy mampiahiahy raha toa ka izao no avela hitohy, satria efa misy akony ratsy amin’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fiharian’ny mponina ety manodidina.

Misy mpiasa taloha tao amin’ny orinasa, izay niala noho ny tsy fahazakana ny hamafin’ny asa, mametra-panontaniana raha toa ka mba nisy fanadihadiana momba ny fiantraikany ara-tontolo iainana, talohan’ny nahazon’ilay orinasa fahazoan-dalana hisokatra sy hiodina eny Ampangabe.

Mahatalanjona ny mponina eny Ampangabe ny fisian'ireto karana amanjatony miasa ato amin'ny orinasa, nefa ny Gasy miasa efa ho 200, vaky sasaka amin'ireo vahiny, izay hita fa mpihavy, ny mpiasa malagasy anefa dia mpiasa tselika isan'andro avokoa no anakaramana azy, manao ny asa mafy sy tsy misy fiarovana rehetra manakaiky ny lafôro fanatsonohana vy, izay anarivony degré ny hafanana, tsy misy fiarovana.

Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mahakasika ireto vahiny miasa ireto, satria ny iray tamin'izy ireo no maty nilatsahan'ny fil Jirama teny an-toerana. Etsy ankilany ihany koa ny momba ireto zaza marobe mitsimpona vy ao anatin'ny fako arian'ity orinasa ity eny rehetra eny. Izay vy averina amidy amin'ny orinasa karana JR Métaux Ampangabe ihany.

(Sary Gasypatriote)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.