Marc Ravalomanana: Voafidy ho filohan’ny « Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara »

  • mercredi, 14 août 2019 21:44
  • Britto
  • Tahirin-tsary

Tafatsangana ny vovonana antsoina hoe : « Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ». Antoko politika mpanohitra miisa 21 no mandrafitra ity vovonana ity.

Nisy androany, ny fifidianana izay ho filohan’izany vovonana izany, natao teny Ivandry ka lany ho filohan’ity vovonana « Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara » ity tamin’ny isam-bato 15 amin’ny 21 ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana.

Misy ihany koa ireo filoha lefitra enina izay handrafitra ny biraon’ny vovonana.

Hanao fanambarana lehibe ny « Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara » amin’ny zoma 16 aogositra 2019 ho avy izao, ao amin’ny Carlton Anosy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.