Ampangabe: Nilatsahan'ny fil courant ilay Karana mpiasan'ny fandredrehana vy, maty tsy tana ny ainy

  • mardi, 06 août 2019 12:07
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Karana mpiasan'ny orinasa JR Métaux, izay karana ihany koa no tompony, no nilatsahan'ny fil courant n'ny Jirama tao Ampangabe, akaikin'ny Parc Analamanga ny alahady teo.

Nentina aingana teny amin'ny hopitaly HJRA, fa tsy tana ny ainy.

Maro ny mponina no velon-taraina amin'ity orinasa ity amin'ny fitandroana ny tontolo iainana, na ny setroka mainty avoakany, na ireo loto ateraky ny fandredrehana vy, izay manimba ny fambolena sy ny rano fisotro.
Amanjatony ireo mpiasa miasa ao amin'ny orinasa, nefa tsy zarizary ny toeram-piasana sy ny fiarovana ny vatana, nefa afo mahamay no hiasana.

Mitaraina ny mpiasa fa na sendika hiaro azy ireo aza tsy misy, karne no andraisan-karama fa tsy misy taratasy fanamarinana fandraisam-bola.

Aman-taonany no niaritra an'izany ny mpiasa sy ny mponina eny an-toerana, nisy ihany ireo sampan-draharaham-panjakana nandalo sy nitsirika ny toeram-piasana, fa toa tsy hita ny fivoarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.