Manapatanana Mahajanga: Nandresy teo anivon'ny fitsarana ny Kaominina ary niroso tamin'ny fandravana

  • samedi, 13 avril 2019 10:30
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Vao maraina ny sabotsy 13 aprily, dia tonga tety Manapatanana Amborovy, lalana mihazo ny seranam-piaramanidina ny Ben'ny Tanànan'i Mahajanga, Andriantomanga Mokhtar Salim, niaraka tamin'ny vadintany sy ny mpitandro ny filaminana, niroso tamin'ny fandravana ilay tamboho avo be, nataona karana iray izay milaza fa nividy ny tany.

Efa naharitra 2 taona ity fifanolanana ity, satria vao nanorina ilay karana, dia efa nitsivalana ny Ben'ny Tanàna satria faritra tsy azo anorenana io toerana io, satria sady miaro amin'ny tondra-drano, no faritra arovana misy Mangrove na ala honko.

Efa misy rahateo tetikasa natao hambolena izany amin'io faritra rehetra eto Manapatanana io.

Voan'ny tsindry hatrany anefa ity Ben'ny Tanàna ity tamin'izany, hatramin'ny fandrahonana "gros bras", nefa dia tsy nanaiky, ary nanohy niady irery teny amin'ny fitsarana. Ny mpitondra tamin'izany ihany koa nanao masobe tsy mahita.

Nahazo rariny hatrany ny Ben'ny Tanàna tamin'ireo ambaratongam-pitsarana rehetra, ka dia izao niroso tamin'ny fandravana izao.

Maro ireo mponina ety an-toerana no mankasitraka izao fijoroan'ny Ben'ny Tanàna izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.