Rovan’Antananarivo: Natomboka androany ny famitàna ny asa fanarenana

  • jeudi, 11 avril 2019 16:36
  • Britto
  • Sary Njaka

May kila hotohoton’ny afo ny harivan’ny 6 novambra 1995 ny tao Anatirova. Tsy nambara ho fanta-bahoaka hatramin’izao ny tompon’antoka tamin’izany.

Nanao antso i Marc Ravalomanana tamin’ny novambra 2005, folo taona taorian’ny nahamay ny Rova, nanainga ny Vahoaka Malagasy hanao tatibitsika hamatsiana ny fanarenana indray ny Rova Manjakamiadana.

5 miliara sy 300 tapitrisa Ariary no voaangona tao anatin’ny herintaona teo. Teo amin’ny 6 tapitrisa euros ny tomban’ny asa fanarenana hatao. Tamin’ny janoary 2006 ny asa vaventy tamin’ny fanarenana no nanomboka. 230 ny mpiasa nanatanteraka izany isan’andro. Nisy kely ny fitohizan’ny asa tetezamita saingy niato tanteraka izany tamin’ny 2011.

Tapa-kevitra hanohy ny fanarenana ka hamitana azy tanteraka i Andry Rajoelina. Nanao fanambarana izy nandritra ny vavaka iraisam-pinoana, nitondra am-bavaka ny fitondrana, natao tao amin’ny Fiangonana FJKM Anatirova tamin’ny alahady 27 janoary 2019.

Nomarihina tamin’ny fananganana hazofehizoro ny fisantarana ny asa androany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.