Maroantsetra: Rotaka ...

  • samedi, 06 avril 2019 18:22
  • Britto
  • Sary nomena

Misy olona maty voatifitry ny Polisy, may ny trano. Misahotaka ny eto Maroantsetra nanomboka ny fiafaran'ny tolakandro teo.

Efa resabe hatry ny naraina ny fahafatesana tovolahy iray mbola mpianatra notazomina tao amin'ny "violon". Naterin'ny Polisy teny amin'ny hopitaly izy io androany maraina, nilaza ny dokotera tao fa olona efa tsy misy aina ity aterina ity.

Niteraka fahatezeran'ny mpiara-mianatra amin'ilay tovolahy ny tranga. Tonga hatramin'ny fikasana hitondra ny faty teny amin'ny biraon'ny Polisy.

Niitatra ny raharaha nony tolakandro ary tonga tamin'izao rotaka izao. Misy ny maty voatifitra toy ity olona avy any amin'ny Kaominina Antakotako, misy maratra. Misy ny trano may.

(Jereo Sary Tohiny

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.