Antanimora: Mbola voatana ao am-ponja i Alain Ramaroson

  • samedi, 16 mars 2019 22:01
  • Tigre
  • Tahirin-tsary

Tamin'ny 03 aogositra 2016 i Alain Ramaroson no nampidirina am-ponja teny Antanimora, tamin'ny raharaha fitoriana nataon'ny fianakaviany azy, amin'ny resaka adi-tany.

Ny 08 aogositra 2017 no nivoaka ny didy, gadra an-tranomaizina 30 volana, sazy mihatra, miampy fandoavana honotra 200 tapitrisa Ariary, no sazy nomen'ny Fitsarana azy.

Raha kajiana izany ny fotoana nitazonana azy hatrany amboalohany, dia efa nahavita 955 andro, na 02 taona, 07 volana, 13 andro tany am-ponja izy izany, ary tokony tapitra tamin'ny alahady 03 marsa 2019 teo izany ny saziny, nefa 01 volana sy 13 andro aty aoriana dia mbola voatana etsy Antanimora hatrany ity mpanao politika ity.

Raha ny angom-baovao dia salama tsara ny lehilahy, ary tsy mitady mpiaro manokana, fa dia miandry ara-drariny ny amoahana azy fotsiny any am-ponja.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.