Fitsarana Ambony Mahajanga: Atoa Antoine no Tonia mpampanoa lalàna ambony vaovao

  • samedi, 16 mars 2019 10:14
  • Britto
  • Sary nomena

Ny zoma 15 marsa 2019 no notanterahana tao amin’ny Fitsarana ambony Mangarivotra Mahajanga, ny lanonana ara-pitsarana fametrahana ny Tonia mpampanoa lalàna vaovao eo anivon’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.

Efa Tonia mpampanoa lalàna tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Mahajanga Atoa Antoine ny volana janoary 2010 hatramin’ny aogositra 2014 ; ary Mpisolovava ambony teto amin’ny Fitsarana ambony eto Mahajanga kosa talohan’izao nahavoatendry azy ho Tonia izao.

“Tsy tokony hanao mpitari-bato vilam-bava ny Mpitsara”, izany no anisan’ny hafatra nataon’ny Tonian’ny Mpampanoa lalàna ambony vaovao, ary tsy handefitra ny Fitsarana amin’ireo izay mihevi-tena ho tsy maty manota, sy ho an’ireo izay fahavalon’ny vahoaka, hoy izy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.