Toamasina: Naaton'ny mpanolotsaina amin'ny asany ny Ben'ny Tanàna MAPAR Elysée Ratsiraka

  • vendredi, 22 février 2019 21:57
  • Britto
  • Sary nindramina

Mpanolotsaina miisa 10 nandany ny fampiatoana azy, 3 nitsipaka ary 2 nanao vato fotsy sy maty. Izay no vokatry ny fanapahan-kevitra androany Sady andro faran'ny fivoriana, naharitra hateloana taorian'ny taratasy fitarainana nalefan'ny mpiasa tany amin’ny prefen’i Toamasina, noho ny karama tsy voaray efa amam-bolana maro.

Nisy ny fangataham-panazavana teo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanolotsaina ary ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana eto Toamasina.

Samy niezaka niaro ny tenany ny tsirairay ka androany nandritra ny fivoriana farany no nanapa-kevitra ireo mpanolotsaina, izay MAPAR no maro an'isa ao, nampiato amin'ny asany ny Ben’ny Tanàna Elysée Ratsiraka.

Mandalo fanamarinana eo anivon'ny Prefektiora ny fanapahan-kevitra raha toa ka mifanaraka amin'ny lalàna mialoha ny hampiharana azy na tsia.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.