Marino Rajaonina: Mpanao gazety voalohany nenjehin’izao fitondrana vaovao izao

  • jeudi, 31 janvier 2019 14:40
  • Britto
  • Sary fampiaingoana

Nosamborina teny an-dalana raha avy niatrika valandresaka ho an’ny mpanao gazety i Marino Rajaonina, mpanao gazetin’ny Radio Vanille Sambava, ny misandratrandron’ny 27 janoary 2019 fa nanao « Atteinte à la sûreté intérieure de l’Etat » tamin’ny namoahany tao amin’ny pejy fesibokiny, ny alin’ny 26 janoary 2019, fa "NOHO TSAHO NA RUMEUR NO TSY MAMPANDRY OLO TANANA ARAIKY AO NOSIARINA @ ZAO."

Ny andron’ny 27 janoary 2019 ihany izy dia natao famotorana teo anivon’ny Polisy Sambava. Naharitra adim-pamantaranandro roa teo izany, avy eo izy afaka namonjy fodiana.

Androany alakamisy 31 janoary 2019 no natolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antalaha ny raharaha.

Fa mitovy amin’ireny jiolahy tena hatahorana indrindra ireny no nitondrana an’ity mpanao gazety ity tao amin’ny Fitsarana Antalaha ; tsy nampiarahina tamin’ireo olona hafa vita famotorana ka hatolotra ny Fampanoavana fa nentina tamin’ny 4X4 nofaina manokana.

Nony tonga tao amin’ny Fitsarana indray dia noraisin’ny mpampanoa lefitra toy ny raharaha maika ny antontan-taratasin’ady mahakasika azy.

Naharitra ora roa mahery teo ny fihainoana azy. Fahafahana vonjimaika no didy savaranonando navoakan’ny Fampanoavana ho an’i Marino Rajaonina taorian’izay. Amin’ny 18 febroary 2019 ny fitsarana azy.

Marino Rajaonina no mpanao gazety malagasy voalohany nenjehin’izao fitondrana vaovao izao. Manaraka akaiky ity raharaha ity ny Holafitry ny Mpanao gazety malagasy, ny fikambanana iraisam-pirenena Reporters sans frontières.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.