Kidnapping Toamasina: Voasambotra i Haja atidoha nikotrika

  • mardi, 04 décembre 2018 19:58
  • Tigre
  • Tahirin-tsary

Taorian'ny alatsinainy 26 novambra izay nahavotsotra an'i Armane Kamis, izay nataona 5 lahy mitam-piadiana sambo-belona tao ampiasany ny alarobia 21 novambra, dia nihetsika ny Zandary sy ny Fitsarana teto Toamasina.

Narahina ny fanadihadiana rehetra ka tonga hatrany amin'i Haja tany Antsirabe ny fanarahan-dia, tsy iza i Haja fa ilay efa voaroiroy tamin'ny kidnapping ilay Karana tao Antsirabe Shane Kourdjee ny 14 aprily 2016, raha iny izy hody avy nivavaka tany amin'ny Mosquée iny.

Nahazo fahafahana vonjy maika moa i Haja, dia izy izao tratra izao indray, satria dia tsy niandry ela ireo Zandary fa nisambotra azy tao Antsirabe.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.