Fifidianana filoham-pirenena: Raikitra ny fampielezan-kevitra ho an’ny fihodinana faharoa

  • mardi, 04 décembre 2018 11:58
  • Britto
  • Sary Gasypatriote

Nanomboka ora vitsy izay ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 fihodinana faharoa.

Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, izay kandida roa voalohany nahazo isam-bato be indrindra tamin’ireo 36 nifaninana tamin’ny fihodinana voalohany, no nambaran’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana fa hiatrika ny fihodinana faharoa.

Manana 15 andro ireo kandida ireo, sy ny mpanohana azy avy, hampahafantarana ny vinan’asan’izy ireo avy, sy handresen-dahatra ny mpifidy. Lanonam-pahavaratra ihany koa izy ity.

Hifarana amin’ny alatsinainy 17 desambra misasakalina ny fampielezan-kevitra.

Tanterahina ny alarobia 19 desambra kosa ny latsa-bato.

Ireo olom-pirenena tonga taona, tsy very zo, voasoratra ao anaty lisi-pifidianana miisa 9 913 599 nampiasaina tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018 no hampiasaina mandritra ny latsa-bato amin’ny 19 desambra. Ireo mbola tsy naka ny kara-pifidianana dia afaka hatrany manantona ny fokontany misy azy.

Raha ny tsikaritra io maraina io aloha, dia mbola mangingina eny amin’ireo tabilao napetraky ny CENI ho fametahana afisin’ny kandida.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.