Governemanta tota no navadibadika

  • mardi, 12 juin 2018 15:02
  • Super User

Namana daholo isika no ao, fa hialako tsiny, fa governemanta hitady seza, hitady vola, hitady fahefana ho an'ny tombotsoany manokana, ho an'ny tombotsoan'ny antokony sy ny Kandida tohanany, mpamadika ny Tolona nilokalokana.

Ny tanjon'io governemanta io dia mazava be fa dia samy hampiasa ny fahefana sy ny vola eo aminy ampandresena ny kandida tohanany.

Izahay tsy mitady ny hiditra ao akory, ary tsy te hiara-petsapetsa amin'ny mpivarotra Tanindrazana sy mpanao kolikoly ka hividy safidim-bahoaka amin'ny tee-shirt, vary fotsy ary tsinjaka vody avy amin'ny vola tsy hay fiaviana.

Aleo andeha ny fifidianana dia ny vahoaka no hifidy, na efa fantatra fa samy hiezaka angala-bato ianareo, izahay tsy matahotra baolina ankamely.

Tsy hijanona ity Tolom-panafahana ho an'ny Fahaleovantena ity, raha mbola ianareo sy ny fianakavianareo hatrany no hifamadibadika, toy ny tsy misy olona mahay eto amin'ity Nosy ity.

Tsy misorona, fa basy hatifi-kavana.

Patrick
Kandida ho Filoham-pirenena
Vitatsika io.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.