Ivato-Ambohidratrimo: Ho vitaina 3 volana ny tsena

  • samedi, 02 juin 2018 08:40
  • Britto
  • Sary nomena

Nanao fanamby tamin'ny mponina teto amin'ny Kaominina Ivato ny Ben'ny Tanàna, Penjy Randrianarisoa, fa ho vitaina ao anatin'ny 3 volana ny fanamboarana ny tsena lehibe ari-fomba eto Ivato Ambohidratrimo, izay varavarana miditra eto Madagasikara Ivato aéroport.

"Mametra-pialana aho raha tsy vita ao anatin'ny 3 volana izany", hoy hatrany ny Ben'ny Tanàna Penjy Randrianarisoa.

Ity fotodrafitrasa lehibe ity moa, dia tafiditra ao anatin'ny tetikasan'ny Filoham-pirenena, izay vatsiana vola mitentina 2,2 miliara Ariary (11 milliards fmg).

Tonga tety Ivato ihany koa ny praiminisitra, Mahafaly Olivier, nametraka ny vato fehizoro voalohany ny zoma 1 jona 2018.

Nisy ireo olona nilanja sorabaventy nanao fihetsiketsehana nanohitra izao fanaovana tetik'asa goavana izao, fa nanazava hatrany ny Ben'ny Tanàna, fa ny mpivarotra rehetra dia ahazo toerana ato anatin'ity tsena ari-fomba tsara ity, ary dia ho ambany dia ambany ny sarany aloa amin'izany.

Tsy marina hoy izy ny filazana fa omena ny mpanam-bola na ho an'ny vahiny ity tsena ity, tsy misy hidiran'ny resaka politika hoy izy namarana ny teniny, fa fanatsarana ny Tanànantsika.

Maro moa ny tetikasa sy fanamboaran-dalana efa vitan'ity Ben'ny Tanànan'Ivato ity hatramin'izay naha teo amin'ny toerana azy.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.