A la Une

    • jeudi, 17 janvier 2019 14:02
    • Tigre

    CPI: Libération de Gbagbo suspendue

    La Cour pénale internationale a subitement fait un revirement en suspendant sa décision hier de libérer l'ancien Président de la Côte d'Ivoire, Laurent Gbagbo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 15:21
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Taratasin'ny mpamaky: Tsy tompon'antoka intsony ny Filoha teo aloha Rajaonarimampianina

    Nanambara moa ny Filohan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana fa aorian'ny fanaovan'i Filoha vaovao, Andry Rajoelina, fianianana vao manomboka ny fotoam-piasany ka eo izy vao afaka manao fifamindram-pahefana amin'ny Filoha teo aloha.
    Lire la suite ...
    • lundi, 07 janvier 2019 15:53
    • Njaka
    • Sary Gasypatriote

    Iavoloha: Tsy nomen'ny Mapar hasiny ny fanasan'i Rivo Rakotovao

    Niharihary teny Iavoloha ny tsy fanomezan'ny Mapar hasiny ny fanasana asaramanitra nataon'i Filoham-pirenena, mpisolotena vonjimaika, Rivo Rakotovao. Tsy nisy tonga teny ny minisitra maro an'isa natolotry ny Mapar tao amin'ny governemanta. Ny Praiminisitra, izay natolotry ny Mapar, Ntsay Christian, aza dia minitra vitsy alohan'ny anombohan'ny fotoana vao nilaza fa tsy afaka noho ny tsy fahasalamana tampoka, ka dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Béni Xavier Rasolofonirina, no voatery namaky ny kabary izay efa nomaniny.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 janvier 2019 23:49
    • Britto
    • Sary nindramina

    Kianja 13 mey: Niverina nibahana sy nandrara ny fidirana ny Emmo

    Omaly alakamisy, taorian'ny baiko nomen'ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia nisokatra ho an'ireo mpitaky ny fahamarinan'ny fifidianana ny kianja 13 mey.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 30 décembre 2018 13:59
    • Tigre
    • Sary nindramina

    RDC: Mifidy ny ho Filoham-pirenena ny Kongolé

    Nanomboka io maraina io dia nantsoina hifidy ny ho Filoham-pireneny, ny Solombavambahoaka nasionaly sy faritra ireo Kongolé 40 tapitrisa. Hifarana anio amin'ny 5 ora hariva izany fandatsaham-bato izany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 29 décembre 2018 14:29
    • Tigre
    • Tahirin-tsary Gasypatriote

    Fifidianana: Fitoriana mihoatra ny 1500 no hapetraky ny K25

    Raha niomana ny hametraka izany fitoriana teny anivon'ny HCC androany ny K25, araka ny fetr'andro napetraky ny HCC, dia nisy fanemorana indray izany fetr'andro izany araky ny fanambaran'ny HCC androany, ka tsy hifarana izany fandraisana fitoriana izany raha tsy ny alatsinainy 31 desambra 2018 amin'ny 4 ora tolakandro.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 26 décembre 2018 11:30
    • Tigre
    • Sary Gasypatriote

    Fifidianana: Tsy misy laharana araka ny nampanantenaina ny bileta

    Noreharehan'ny tao amin'ny CENI mihitsy fa dia avo lenta, tsy azo anaovana hosoka, toy ny vola mihitsy ity bileta tokana ampiasaina amin'ny fifidianana ity, satria dia hisy laharana manokana isaky ny bileta, izay hita amin'ny voditsosy, toy ireny billet ireny, ka efa fantatra mialoha avokoa ny laharana bileta alefa isaky ny Biraom-pandatsaham-bato, ka raha misy ny tsy milamina, dia azo jerena raha tena bileta tokony ho voatokana ho an'io birao io marina no nampiasaina, na bileta hafa nampidirina antsokosoko. Rehefa natao anefa ny fanamarinana ireo bileta nampiasaina tamin'ity fihodinana faharoa ity, dia tsy misy laharana azo kikisana izany ireo bileta nampiasaina, sy nandaniana vola be nampanaovina tany Afrika atsimo, fa dia taratasy tsotra toy ireny famonosana mofo gasy ireny ihany.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 23 décembre 2018 14:51
    • Tigre
    • Sary Gasypatriote

    Fifidianana : Tratran'i Andry Rajoelina ny fetr'isa ahalany Filoham-pirenena

    Raha ny tarehimarika, miainga amin'ny vokam-pifidianana vonjimaika eo anivon'ny CENI, dia tratran'i kandida laharana faha-13, Andry Nirina Rajoelina, ny fetr'isa ahalany Filoham-pirenena Malagasy, raha tsy miova firy ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy eo amin'ny 48 %, sy izay fanapahan-kevitra avoakan'ny HCC miainga avy amin'ireo mety fitoriana samihafa.    
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 décembre 2018 16:49
    • Tigre
    • Sary nomena

    Tanin'i SORIFEMA Vohidiala: Mitondra fanazavana ny Tale Jeneraly teo aloha RAVELOMANANTSOA Jean de Dieu

    Ny orinasa (SOCIETE RIZICOLE et FECULIERE MALAGASY) afohezina hoe SORIFEMA dia orinasam­-panjakana (Société d’Etat) madiodio notatanako nandritra ny vanim­potoana1981­-1988, ary izaho RAVELOMANANTSOA Jean de Dieu, ­Ingénieur Agronome no Tale Jeneraly (napetraka tamin’ny alalan’ny Décret).
    Lire la suite ...
Page 1 sur 83